Politique

Vahoaka Malagasy Hobadoin’ny mpitondra…


  • Zoma 18 Oktobra 2019

Tafiakatra 60 000 ariary na 80 000 ariary ny saram-pisoratana anarana eo anivon’ny EPP, CEG… amin’izao.

 

 Nialoha ny tetezamita tamin’ny taona 2009, dia maimaimpoana izany. Toa manaporofo ny fanambarana nataon’ireo depiote TIM nandritra ny fanokafana ofisialin’ny fivoriana ara-potoana eo anivon’ity andrim-panjakana mpanao lalàna ity fa miditra ao anaty krizy ara-tsosialy sy ekonomika i Madagasikara. Mdika izany fa manamaivana ny sosialim-bahoaka ny fitondram-panjakana.  Voakasika amin’izany ny sehatry ny fanabeazana, ny fahasalamana. Raha zohina, tamin’ny tsy mbola voafidy ny Antenimieram-pirenena dia nahazo fahefana feno ny filoha tamin’ny alalan’ny “légifération par ordonnance”. Tsikaritra fa  nahena ny tetibolan’ny fanabeazana sy fahasalaman-bahoaka. Nampitomboina kosa ny tetibolan’ny fiadidian’ny Repoblika. Sanatria kosa ve hobadoina ny Malagasy amin’izay ho mora hambakaina ? Tsy ampy fahalalahana ny Malagasy  dia lasa manao valy boraingina. Ny lalàna farany izay kely indrindra aza tsy fantany.  Ny paikadin’ny mpanatanteraka anefa dia tena miharihary.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT