Efa voaozona hiaina anaty fahasahiranana sy gaboraraka ve ny Malagasy ka tsy mahafantatra sy tsy te hahalala zavatra tsara intsony e ? Tsy maintsy misy foana isan’andro ny olana, fa anjaran’ny olombelona no mikaroka ny vahaolana hamahana azy.
Tsikaritra anefa eto amintsika fa tena mitarazoka be io fandraisana fanapahan-kevitra hamaha olana io, ka izay no mahatonga ny gaboraraka miha mahazo laka isan’andro. Mahagaga fa efa tsy mampaninona ny olona ilay fiainana mikorontana, anaty loto sy mandeha ho azy tsy misy tanjona mazava. An-kilan’izay, efa lasa fomba amam-panao ny fandikan-dalàna sy ny kolikoly. Hita amin’ny sehatra rehetra io ary manao azy avokoa ny sokajin’olona rehetra na ny faran’ny manankarena na ny salantsalany na ireo tena sahirana. Tena mila mpitondra mahay sy mahiratra noho izany i Gasikara satria ny toe-tsain’ny mponina ao aminy mihitsy no mila amboarina aloha. Tsy misy firenena mandroso izany raha tsy ny mponina ao aminy no mandroso. Ny olombelona mantsy no fototra iaingan’ny zava-drehetra. Tsy hiadian-kevitra elabe ny hoe nisy mpitondra nahavita be na nahavita kely fa ny iaraha-mahita aloha dia miha mahantra i Madagasikara ary nosongonan’ny firenena Afrikanina maro nitovy laharana tamin’ny 10 taona lasa izay. Misy zavatra tsy mety izany eto ary mila amboarina. Tsy ny fitobahan’ny famatsiam-bola no hamaha olana fa tena ny fahatongavan-tsain’ny tsirairay dia ny manampahefana, ny mpandraharaha, ny vahoaka. Rehefa mahay mifandamina dia milamina io fa rehefa hifamaly faty sy hifamingana isaky ny mihetsika kosa dia na afaka 100 taona aza tsy hisy fivoarana izany mihitsy eto. Izay no tena maha zava-dehibe ny fampihavanam-pirenena fa tsy hoe natao fotsiny hanaovana famotsoran-keloka sy hizarana seza ho an’ny mpanao politika.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.