Politique

Vahoaka Malagasy Beazina hiankin-doha lava fa tsy hamokatra


  • Alatsinainy 25 Febroary 2019

Tsy maintsy mitondra vahaolana ho an’ ny fiainam-bahoaka ny fitondram-panjakana ao anatin’ ity telo volana voalohany ity raha tiany ho tafavoaka anatin’ izao fahantrana lalina izao ny firenena.

 

 

 

 Madagasikara rahateo afaka mandray hafainganam-pandeha mafy amin’ ny fampandrosoana raha ny harin-karena faobe tamin’ ny taona 2018, izay nitombo 5,2%, no handrefesana azy. Efa maro ihany koa ny tetikasa natombok’ ireo fitondrana nifanesy teo aloha. Hatreto tsy misy zavatra mivaingana amin’ ny fampandrosoana ka tokony mampahafantatra ny vahoaka ny Filoham-pirenena amin’ ny hoe tahaka ny ahoana ny faharetana mila hananana ao anatin’  ny fampandrosoana ny firenena. Ny vahaolana maharitra sady hisy fiantraikany mivantana any amin’ ny vahoaka no tokony imasoana toy ny fanabeazana, tsy fandriampahalemana, ady amin’ ny kolikoly, resaka famokarana ara-tsakafo… Ny Filoham-pirenena nifandimby teto dia efa nahalala fa ny sakafo no tsy maintsy atao izay hahatomombana azy mba hampisy ny fitoniana sosialy. Tsapa fa toa natao fitaovana ifehezana ny Malagasy anefa ny resaka sakafo ankehitriny.Ny vahaolana anefa dia ny famporisihana ny Malagasy mba handray an-tanana ny seha-pihariany sy ireo tombon-tsoa mivantana amin’ ny fiainany andavanandro. Ny vahaolana maharitra dia ny fipetrahana fotodrafitrasa fototra, famokarana amin’ny sehatra rehetra… Marihana fa ny firenena mandroso dia miainga amin’ ny herin’  ny vahoaka ao aminy fa tsy ny herin’ ny mahavita maziamazia mizara PPN tampoka rehefa misy propagandy na misy loza voajanahary. Tsy vahaolana velively ny tolotolotra mora etsy sy eroa, na hanin-ko hanina io na trano fonenana .Atahorana hitarika ny olona hiandry sy hangata-dava izany ; asa sy famokarana ihany no tena izy ka anjaran’ny fitondram-panjakana no mikaroka ny paikady sy ny mpiara-miombon’antoka ary mametraka ny lalàna hahafahana manatanteraka izany.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT