Tsy voasoratra any anaty lalàna, saingy efa naman’ny nipetraka ho lamina mandeha ho azy teto amintsika ny fifandanjana ara-paritra na ny “équilibre régionale” amin’ny fitsinjaran’ny fahefana.
Lasa nanimba ny sain’ny olona, indrindra fa ny any amin’ny faritra nampandany an’i Andry Rajoelina ny endriky sy firafitry ny olona mpiara-dia aminy amin’izao fitantanana ny firenena izao. Ahitana taratra azy io ny firafitry ny governemanta ka nisy ny efa namoaka vava amin’ny hoe: avy aty aminay isan’ny nampandany io filoha io ve dia tsy mba misy manam-pahaizana mihitsy fa toa ny ao avy ao afovoan-tany avokoa no nomena toerana ? Amin’ireo mpikamban’ny governemanta rahateo dia 5 eo angamba no avy amin’ny faritra, raha ny fahitana azy. Na ny eto afovoan-tany aza dia nisy karazana lamina hatramin’izay ny fisian’ny solontena avy eny ambany tanàna, na tsy dia resahina firy aza izany, fa tamin’ity tsy hita taratra intsony izany. Novoizina tany anaty Propagandy ny hoe: Marc Ravalomanana mpanavakavaka foko, ary natao fitaovana io nentina nampiadiana ny samy Malagasy mihitsy ka toa nasisika tao an-tsain’ny olona fa i Marc Ravalomanana dia ny ao afovoan-tany ihany no tiany, fa i Andry Rajoelina no tia sy mitsinjo ny any amin’ny faritra. Samy kandida avy teto afovoan-tany anefa ireo. Tsotra ny valin-tenin’i Marc Ravalomanana tamin’ireny toy ny hoe: raha tsy tia azy aho tsy nanamboatra ny làlana makany aminy. Fa mba inona no vitan-dRajoelina tany amin’ny faritra ? Manomboka mahatsapa ho natao tohatra fiakarana ny sasany. Mety tsara amin’ny Frantsay ny zava-misy satria izay no paikady napetrany teto rehefa nampiady ny samy Malagasy izy, ary mikopaka afo fotsiny no ataony amin’izao. Toa hita taratra ihany fa tsy tena tompon’ny fanapahan-kevitra i Andry Rajoelina, izay sady vazaha an-taratasy rahateo. Nanadino sy toa mitsipa-doha ny olona nanandratra azy. Filohan’ny Malagasy rehetra sy afaka mampiombona sy mampiray ny firenena tokoa ve sa filohan’ny antokony ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.