Politique

Vahaolana hivoahana amin’ny krizy “Ny fihaonan’izy efa-dahy ihany !”


  • Alarobia 28 Septambra 2011

Tsy nitondra ary tsy hitondra vahaolana ary tsy hampitoetra ny maha Malagasy ny fanaovana sonia ny sori-dalana maimaika fa manjary mitondra adihevitra vaovao indray, araka ny fahitan’ny Vondron’ireo olom-pirenena ho amin’ny fampiombonana azy.

 Vondrona izay ahitana ireo ankolafin-kery isan-tokony ary tarihin’ny Profesora Ranjeva Raymond, Beranto Maurice, Razafindrakoto Raymond, ny mpitandrina Ramamonjisoa Philbert. Tsy ilaina, hoy ity vondrona ity ny vahaolana tefimaika. Tsy maintsy isika samy Malagasy ihany koa no mihevitra ny momba antsika. Tsy ny fanaovana sonia ny sori-dalana no hamaha ny olana, hoy i Maurice Beranto fa vao mainka aza manomboka eo ny fahasahiranana. Tsy hanala amin’ny krizy koa ny fizaràna seza. Fanontaniana vitsivitsy moa no napetraky ny Profesora Raymond Ranjeva ny momba iny sonia natao iny. Eo ohatra ny hoe iza no namaky an’iny sori-dalana iny vao nanao sonia ? Rehefa namaky dia nisy ve ny famakafakana ? Dikan-teny inona ihany koa no namakiana azy ? Eo koa ny votoatin’ilay sori-dalana, zavatra nekena tany ambony tany ve iny dia noterena fotsiny ny Malagasy hanao sonia azy ? Ohatra roa moa no noraisiny fa vao mainka nitondra loza ny nanaovana sonia zavatra tefimaika dia izay nitranga tany Rwanda, nanaovana ny fifanarahan’i Arusha izay nitarika vonomoka na “genocide”, teo koa ny tany Cote dÌvoire tamin’ny nampiharana ny fifanarahan’i Marcoussis. Ho an’ity vondrona ity dia tsy misy afa tsy ny fampihaonana sy ny fampiombonana ireo mpifanandrina no hany vahaolana. Tokony hihaona sy hifampidinika amin-kitsim-po ireo filoha lanim-bahoaka telo mirahalahy dia ny Pr Zafy Albert, Didier Ratsiraka, Marc Ravalomanana sy i Andry Rajoelina.

Tsy hisy zavatra vanona eto fa ho valifaty mandrakariva no hiseho eto raha tsy miroso amin’izany fampiombonana izany, araka ny fanazavan-dRazafindrakoto Raymond. Lalana tsy azo hihodivirana ny fampiombonana, araka ny fanazavan’ity vondrona ity satria sady handamina ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny no mampihavana sy manala ny olana niseho teo amin’ireo mpifanandrina. Tsy hianona amina fampihaonana fotsiny ihany koa anefa fa hiroso lalina amin’ny fitondrana vahaolana amin’ny krizy izay manaraka paikady matotra azo tanterahina. Raha tsy mifidy ny fifamelana isika, hoy ihany ny fanazavana dia potika ny fiaraha-monina.

Noho izany dia vonona ny hampihaona ireo mpifanandrina eo imasom-bahoaka eto an-drenivohitra ny Vondron’ireo olom-pirenena ho amin’ny fampiombonana. Mino ity vondrona ity fa tsy maintsy ho tanteraka izany fihaonana izany. Ireo filoham-pirenena telo rahateo efa nanaiky ny tokony hisian’izany ary antenain’ity vondrona fa tsy handa koa ny filohan’ny FAT. Araka ny fanazavana moa dia efa nisy drafitra hivoahana amin’ny krizy novolavolain’ny profesora Ranjeva Raymond tany amin’ny taona 2009 tany ary efa neken’ny fianakaviambe iraisam-pirenena saingy tsy tafavoaka satria nolavin’ny sasany ka dia izao latsaka lalina anaty kizo izao ny firenena. Araka ny vaovao moa dia mbola hisy fihaonana hataon’ity vondrona ity amin’ny vahoaka ato ho ato hanazavana ny momba ny fampiombonana izay hany vahaolana hivoahana amin’izao krizy izao.

 

 Nangonin’i Soa

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT