Namory ireo ankolafin-kery samihafa eto amin’ny firenena ny Avotra ho an’ny Firenena nanomboka omaly Talata manoloana ny krizy lavareny mianjady amin’ny firenentsika.
Tetsy amin’ny Carlton Anosy no nanatanterahan’izy ireo izany mba hamondronana izay hevitra rehetra mivoaka hahafahana mitady vahaolana haingana. Araka ny nambaran-dRamanoeliniriana Idealisoa, mpanolotsaina eo anivon’ny Avotra ho an’ny Firenena mantsy dia efa betsaka ihany izay vahaolana nentina namahana ny krizy izay saingy tsy nisy nahomby avokoa. Ho an’ity antoko ity rahateo dia lalana iray hialana amin’ny krizy ka tokony hiampitana any amin’ny Repoblika fahefatra no antom-pisian’ny fitondrana FAT saingy tsy izany no zava-misy sy iainan’ny vahoaka malagasy ankehitriny.
Tonga amin’ny fotoana handraisany andraikitra ny antoko ankehitriny ary izao namondrona ny hery velona izao. Fahombiazana sahady no azo tamin’ny ankapobeny, hoy ny mpikarakara, satria fikambanana maro no tonga namaly ny antso toy ny vondron’ny mpanohitra misy an’i Lalatiana Ravololomanana izay efa niezaka ny namory ny ankolafinkery rehetra tahaka izao ihany koa. Ny mba hahafahana manangana rafitra iray hikambanan’ny rehetra moa no tanjon’ny Avotra ho an’ny Firenena hampian’ny tsangan-kevitra mba hahafahana miady amin’izao olana mianjady amin’ny firenena izao. Miankina amin’ny fanapahan-kevitry ny mpandray anjara moa no fe-potoana hifaranan’ireo fihaonana karakarain’ny avotra ho an’ny firenena izao.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.