Politique

Vahaolana atolotry ny fanjakana Mivaona amin’ny filàn’ny oniversitem-panjakana


  • Talata 28 Janoary 2020

Manodidina ny 60.000 eo isan-taona ny isan’ireo tanora afaka bakalorea eto Madagasikara.

Tsy afaka mandray mpianatra mihoatra ny 20.000 isa anefa hatreto ireo oniversitem-panjakana manerana ny nosy. Etsy an-kilany, ao anatin’ny fandaharan’asan’ny fitondram-panjakana ny hanangana oniversite vaovao manara-penitra hanampiana ny efa eo. Mivaona amin’ny filàn’ny oniversitem-panjakana anefa izany, raha ny fanazavan’ireo mpampianatra mpikaroka. Araka ny nambaran’ny filohan’ny Seces eto Antananarivo, ny Pr Sammy Grégoire Ravelonirina, dia oniversite Charles de Gaulle no anarana namoronan’ny filoha Tsiranana ny oniversite tamin’ny fotoan’androny. Mpianatra an’arivony vitsy no noeritreretina ho zakany saingy taty amin’ny andron’ny amiraly Ratsiraka dia mitombo isan-taona ireo mpianatra afaka bakalorea ka mba hitsinjovana azy ireo dia nisy ny Prefa Ankatso II ankoatra ny toeram-ponenana teny Ankatso I. Natsangana ny CUR na “centre universitaire régionale” isak’ireo renivohi-paritany miisa 5. Raha 6000 eo no isan’ny mpianatra azon’ny oniversiten’Antananarivo raisina dia tsy voatery hivangongo eto izany fa azo asiana miparitaka any amin’ny faritra. Efa vahaolana izay. Taty aoriana, nampiana ireo fotodrafitrasa niorina tamin’ny andron’ny filoha Tsiranana. Izany hoe azo asiana rihana. Raha atao hoe mitombo 11% isan-taona ireo mpianatra afaka bakalorea ary raha tany amin’ny 60 taona lasa no efa nisy ny eritreritra fanitarana dia inona no sakana tsy hanaovana izany amin’ireo fotodrafitrasa efa misy ? Avy eo ampiana ny isan’ny mpampianatra satria noho ny tsy fahampian’ny isan’ireo dia voatery izy ireo ihany no manenjika ny fampianarana any amin’ny faritra ka zary enjikenjika fotsiny. Tsara, hoy ny fanazavany, ny eritreritra hanangana vaovao ary efa nataon’ireo teo aloha izany saingy isan’ny voka-dratsin’izay ny fiterahan’ny atao hoe “universté de seconde zone” ary ny ahiana aza raha mbola hotohizana izay lalana izay dia hisy hatramin’ireo “troisième zone” mihitsy satria ny mpampianatra eto aza mbola vitsy dia vitsy.

J.Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT