Samy manana ny fomba mahazatra sy fihetsika mampiavaka azy ny vadina filoham-pirenena manerana izao tontolo izao ary tsy ambaka amin’izany ny eto amintsika, na ireo vadina filoha teo aloha na ny am-perinasa.
Miisa 3 no tena misongadina eto dia i Voahangy Rajaonarimampianina, Lalao Ravalomanana ary Mialy Rajoelina. Ny vanim-potoana toy izao no mampihetsiketsika ny vadina filoha amin’ny fanaovana asa sosialy, ka efa manao ny azy amin’ny alalan’ny Fikambanana “Fitia” nanomboka afak’omaly i Mialy Rajoelina, izay tsy hita teto amin’ny firenena tao anatin’ny fotoana ela. Tsy diso anjara ihany koa i Lalao Ravalomanana amin’ny alalan’ny asa sosialy eo anivon’ny kaominana satria misy ny hetsika antsoina hoe “Noelin’ny ankizy” eo anivon’ny departemanta misahana ny asa sosialy, ka izy no mpiahy izany. Ny vadin’ny filoham-pirenena am-perinasa kosa dia tsy mba hita tabilao, fa toa hoe lasa any Frantsa ary any no hankalaza ny fetin’ny noely. Efa mivoaka moa ny vaovao fa mandalo fotsiny izy no eto fa efa niorim-ponenana any. Mifanohitra amin’izany ny an’i Mialy Rajoelina. Re mantsy fa hipetraka eto Madagasikara amin’izay izy mianakavy kely, ka hatramin’ny ankizy aza dia eto no hampianarina. N’aiza n’aiza eto ambonin’ny tany dia efa toy ny lasitra sy rafitra mipetraka ny hoe manao asa soa no anjara asa sy adidin’ny vadin’ny filoham-pirenena, fa tsy mijabajabaka amin’ny fitantanana firenena toy ny fanaovana tsindry bokotra amin’ny fanendrena olona ambony, anisany ny fanendrena praiminisitra. Samy miezaka sy mametraka ny toerany eto amin’ny firenena ireo vadina filoha teo aloha na dia misy aza ny sakantsakana toy ny mahazo an’i Lalao Ravalomanana amin’ny fitantanana an’Antananarivo. Miezaka mitazona ny tarigetra hoe tsy mijabaka amin’ny politika avo lenta izy ireo, ary ny rehetra dia samy afaka miteny fa tsy mbola nisy ny afera maizina nahavoatonontonona azy roa ireo. Tsikaritra ho mifanampy sy mifanohana amin’ny ho firotsahan’ny vadiny avy amin’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny 2018 ihany koa. An-kilany kosa dia maro no mahatsapa sy mahita fa diso malaza ratsy ramatoa Voahangy Rajaonarimampianina vadin’ny filoha ankehitriny ary manaratsy endrika hatrany ny vadiny, ka tsy mba azo ianteherana raha mitaha amin’i Lalao Ravalomanana sy Mialy Rajoelina.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.