V.O.T Antsirabe

> Hampandany ny kandidan’ny ankolafy Ravalomanana


  • Alakamisy 10 Oktobra 2013

Milofo mafy amin’ny fampandaniana ny kandidŕ Dr Jean Louis Robinson ny Vondron’olon-tsotra manohana ny filoha Ravalomanana ao Antsirabe.

Nambaran’Atoa Randrianiaina Solofo fa manaraka hatrany ny toromariky ny foibe izy ireo amin’ny fampandaniana ny kandidà tohanan’ny filoha Ravalomanana. Midina ifotony ireo mpikambana VOT, toy ny ataon’ireo VOT manerana an’i Madagasikara, mampahafantatra ny kandidà ary koa manentana ny olona hifidy azy arahin’ny fampahafantarana ny fomba fampiasana ilay biletà tokana. Eo ihany koa ny fanentanana ny olona ho mailo mandrakariva ka tsy horebireben’ny fanomezana maro samihafa izay mandalo mandritra izao fampielezan-kevitra izao. Tanjona, hoy Atoa Hervé izay anisan’ireo mpitarika dia ny fampodiana ihany ny filoha Ravalomanana hifanohana amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara indray.

Caïus Raharison


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT