Politique

UNMDH Manaitra sy mitaky ny rehetra handray andraikitra


  • Alarobia 31 Aogositra 2011

Hita fa mitarazoka lava loatra izao krizy misy eto amin’ny firenena izao, hoy ny UNMDH (Vondrona Nasionaly Malagasy Miaro Ny Zo MahaOlona) tarihan-dRtoa Rafolisisoa izay vondrona manara-maso hatrany ny fiainam-pirenena ary manaja ny demokrasia sy mametraka ho tanjona ny fanjakana tan-dalàna eto Madagasikara.

Vokatr’izany dia tsy afaka mihinana ara-dalàna intsony ny vahoaka, tsy afaka mitsabo ny aretina mahazo azy ary tsapa fa miaina ao anaty tebiteby sy tsy fandriampahalemana tokoa. Nanao antso avo ry zareo ka manainga ireo mpanao politika mba hijery akaiky izao zava-misy eto amin’ny firenena izao. Maro ireo fihaonana nitadiavana vahaolana izay, hoy Rtoa Rafolisisoa nefa tsy nisy vokany izany ka dia tena hita fa mijaly tokoa ny vahoaka. Na dia efa be aza ireo fanalahidy namahana izao krizy izao dia nandamoka avokoa izany, hoy ny fanampim-panazavana azo teny Ambatoroka raha nitafa tamin’ny mpanao gazety izy ireo. Mitaky, araka izany, ny UNMDH ny mba hitadiavana vahaolana haingana ary mba hatao haingana koa ny fifidianana. Manainga ny rehetra handray andraikitra ao anatin’izany izy ireo.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT