Manoloana ireny kabary feno fampanantenana nataon’ny mpitarika ny ankolafy Ravalomanana, ny CT Mamy Rakotoarivelo, teny Iavoloha afak’omaly ireny ny amin’ny fiverenan’ny Filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana dia nampita hafatra hoan’ny mpikambana ao amin’ity ankolafy ity tsy misy an-kanavaka ny «Union des Associations Zanak’i Dada (UAZD)» sampana Mahajanga mba haneho ny firaisankina sy firaisan-tsaina tanteraka ka tsy hanaika ho zarazarain’ny fahavalon’ny tolona iombonana ary hanompana manontolo ny tetika samihafa manomboka eto amin’ny fiomanana amin’ny fitsenana ny Filoha Marc Ravalomanana. Ho an’i Mahajanga manokana ny UAZD izay hivondronan’ny FVOTM, ny Very Asa, ny AFDL dia tsy miova amin’ny tanjona $ dia ny famerenana an-tanidrazana ny Filoha Marc Ravalomanana ary miara-manomana izany amin’ny ankolafy Ravalomanana tarihin’ny CT Randrianandrasana Patrice. Ny UAZD Mahajanga dia mandray ny toromarika avy amin’ny UAZD Antananarivo ary miray hina tanteraka amin’ny ankolafy Ravalomanana. Manoloana ny zava-misy ankehitriny koa dia manameloka tanteraka ny fihantsiana sy fanaratsiana ary ny fandrahonana miseho lany atao amin’izy ireo any Mahajanga ny UAZDA Boeny.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.