Nivoaka tamin’ny fahanginany ny antoko UNDD Toliara. Nivoitra tamin’ny fanambarana nataony omaly fa tokony hampiharina tsy misy tomika ny tondrozotra ary hajaina ny fifanekena vita sonia.
Milaza ho vonona hiatrika ny fifidianana koa ny Undd na dia rahampitso aza no hanatanterahana izany saingy manahy kosa fa tsy hisy fitoniana eto raha
tsy feno ny fepetra. “Avoahy ireo gadra politika rehetra tsy an-kanavaka sy ireo nogadraina noho ny raharaha BANI Ivato sy FIGN ary aleo hiverina ireo nanao sesitany ny tenany”, hoy i Mana Masindraza Hervé. Ankoatra izay dia takian’ny UNDD koa ny fahalalahan’ny fanehoan-kevitra na io amin’ny haino aman-jery na amin’ireo sehatra sy toerana ahafahana maneho izany, fa tsy mitondra soa ho an’ny firenena velively sy ny vahoaka Malagasy ny teritery. “Tanteraho izany raha tena tany demokratika marina isika”, hoy hatrany ity mpitantana ny antoko any Toliara ity. Maika koa ny fananganana ny Komitin’ny fampihavanana ny samy Malagasy (CFM) ho azy ireo satria Malagasy miray hina hanangana tany demokratika sy repoblikanina lavitry ny zara vilana no filamatr’izy ireo.
Nangonin’i Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.