Politique

UNDD Toamasina Misisika ny hanaovana fifidianana lalŕmpanorenana


  • Zoma 02 Aogositra 2013

Naneho ny heviny mikasika ny raharaha politika sy ny fifidianana ary ny fahatongavan’ireo iraky ny GIC-M, omaly, ireo mpikamban’ny antoko UNDD ao Toamasina notarihan’ny filoha provinsialy Atoa Rasamiharison Tahiry.

Nandritra izany no nanamafisan’izy ireo ny hevitra tapaky ny antoko nandritra ny fikaonan-doha natao teto Antananarivo ny 08 jolay teo, fa mitaky fifidianana lalàmpanorenana mialoha ny fifidianana rehetra ny UNDD. Nilaza ity farany fa ny fananantsika lalàmpanorenana eken’ny rehetra sy ahafahan’ny rehetra mifidy no antoka voalohany hivoahana amin’ny krizy. Marary ny firenena noho ny tsy fananany lalàna mifehy ny fampihodinana sy miantoka ny fampandrosoana marina azy, ka tokony hotsaboina mba hisian’ny fifidianana madio, mangarahara, ary ny filoha ho lany eo dia afaka hiasa an-kalalahana. Nilaza ny UNDD Toamasina fa tsy handray anjara amin’ny fifidianana raha tsy tanteraka ny hetahetam-bahoaka amin’ny fanaovana mialoha ny fifidianana lalàmpanorenana.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT