Politique

UDR- Fanovana Sesitany 7 taona vao tokony hody Ravalomanana


  • Talata 07 Febroary 2012

Malaza ny vaovao momba ny famotsoran-keloka sy ny tokony hodiana na tsia ny filoha teo aloha, Marc Ravalomanana.

 Ho an’ny vondrona manohana an’i Andry Rajoelina izany hoe ny UDR-Fanovana dia mila mahatsapa ny fahotana vitany aloha i Marc Ravalomanana izay vao mahazo mody an-tanindrazana. Nambaran’i Lahiriniriko Jean fa tsy ampy raha izay 2 na 3 taona naha sesitany azy izay fa mila 7 taona any ho any. “Io andininy faha-20 ao amin’ny tondrozotra io hatrany no ventesin’ny ankolafy Ravalomanana saingy aza hadino fa misy koa ny andininy faha-45. Raha ilay andininy faha-20 io no tao dia tsy nanao sonia ny tondrozotra mihitsy izahay”, hoy ity filohan’ny UDR-fanovana ity. Sahiny mihitsy koa no nilaza fa tsy hisy filaminana eto raha miverina izao Ravalomanana satria hamboly izany rahateo no anton-diany kanefa koa tsy hanaiky mora foana ireo namoy ny ainy noho ny nataony, hoy hatrany i Lahiniriko Jean. Eo amin’ny lafiny araka ny lalàna koa dia hanao izay tsy hahazoan’i Marc Ravalomanana famotsoran-keloka koa ry zareo. Manamafy mantsy izy ireo fa ny famotsoran-keloka ampahany no tokony hampiharina fa tsy ankapobeny izany ka tsy anisan’ny mahazo izay nangalatra volam-bahoaka sy nandatsa-dra. Nolazainy fa tsy azo fafana fotsiny ny fangalaran’ny filoha teo aloha vola mitentina 200 tapitrisa ariary avy amin’ny orinasa Aro sy ny tahirim-bolam-panjakana ka nomena nampiasain’ny vondrona Tiko. Nitondra ny heviny momba ny fifidianana ihany koa ny UDR-Fanovana. Nandroso soso-kevitra ny hitazonana 21 andro ny fotoana anaovana ny fampielezan-kevitra ho an’ny fifidianana filoham-pirenena sy 15 andro ho an’ny fifidianana solombavambahoaka ry zareo.
Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT