Politique

UDR-C Te hanalava tetezamita


  • Alakamisy 26 Jolay 2012

Namory ireo vondrona politika nanao sonia ny tondrozotra, naneho ny fanohanana ny tondrozotra sy ny avy amin’ny fiarahamonim-pirenena teny amin’ny foiben-toerany eny Alarobia omaly 25 jolay ny vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana mandritra ny tetezamita na CENI-T.

 Jeritodiky ny asa vita araka ny tondrozotra, ny tokony ho natao nefa tsy vita no nifampizarana. Nisy ny fifanakalozan-kevitra sy ny adihevitra. Ny mazava aloha dia tsy tratra ny fifidianana amin’ity taona 2012 ity, noho ny olana ara-bola sy enti-manana eo ami’ny CENI-T. Amin’ny 01 aogositra moa ity farany no hanao fanambarana ofisialy, aorian’ny fivoriana mihiboka na “conclave” hataony amin’ny faran’ity herinandro ity. Fa nanaitra ny fandraisam-pitenenan’ny mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita sady filoha nasionalin’ny antoko Fanarenana, Razafimahefa Herimanana, niteny tamin’ny anaran’ny UDR-C, izay vondrona manohana an’i Andry Rajoelina miaraka amin’ny TGV.

Nambarany fa tokony hisy fifidianana na dia iray aza amin’ity taona 2012 ity mba hisian’ny fitoniana. Atomboka amin’ny fifidianana mora tanterahina indrindra izany, ka raha ny tolokevitr’izy ireo dia azo atao ny manao fifidianana Ben’ny tanàna any amin’ny novambra 2012 any, tanterahina amin’ny mey-jona 2013 indray ny fifidianana depiote ary any amin’ny volana novambra 2013 ny fifidianana filoham-pirenena. Mazava amin’io fa dia mitetika ny hanitatra ny tetezamita ny UDR-C mba hijanonana eo amin’ny fitondrana. Elatra miaraka amin’ny TGV manohana an’i Andry Rajoelina rahateo ny UDR-C, tsiahivina ihany.

 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT