UDR-C

> Nahazo fankatoavana avy amin’ny ministera ny ekipan’i Reboza Julien


  • Zoma 09 Aogositra 2013


Nahazo rariny avy amin’ny Ministeran’ny Atitany ny elatra UDR-C miaraka amin’i Reboza Julien. Izy ireo mantsy no nahazo ny fankatoavana avy amin’ny ministeran’ny Atitany araka ny taratasy tamin’ny talata 6 aogositra. Marihina fa mizara roa ny UDR-C dia ny manohana an’i Andry Rajoelina izay tarihan’ny minisitry ny rano ary ny faharoa dia ry Lahiniriko Jean sy ireo mpiara-dia aminy. Milaza ry Reboza Julien fa manomboka izao dia fa tsy misy olona afaka mitonona ho UDR-C ka hanolotra solontena ho mpikambana eo anivon’ny CES. Efa nisy ny fivoriana notanterahin’ireo mpikambana UDR-C, hoy izy izay nisafidianana ny solontenany ao amin’ny CES. Mpahay lalàna amperinasa ary mitondra ny grady voalohany io.

 Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT