Politique

UAZD Efa vonona amin’ny fanomanana ny fitsenana an’i Dada


  • Talata 03 Janoary 2012

Manoloana izao fahatrarana ny taona vaovao 2012 izao, ny UAZD (Union des Associations Zanak’i Dada) dia faly miarahaba ny vahoaka malagasy rehetra ary mirary soa amin’ny tolona ataon’ny Zanak’i Dada rehetra manerana ny Nosy.

 Na naniry aza isika ny hihaona amin’ny Filoha Marc Ravalomanana tamin’ny krismasy sy taom-baovao dia fandaharan’Andriamanitra no efa nametrahantsika izao tolona izao ka mino mandrakariva isika fa hitantana sy homba ny diantsika Izy. Izahay ato amin’ny UAZD dia manome toky fa efa vonona tanteraka amin’ny fanomanana rehetra amin’ny fitsenana an’i Dada, ary efa vonona koa ny ekipa mpiaro rehetra azy ary efa vonona koa amin’ny fandraisana ireo ekipa rehetra avy any amin’ny Faritany izay ho tonga maro eto Antananarivo. Mailo ihany koa anefa isika fa miasa amin’ny fomba rehetra koa ireo fahavalon’ny tolona ankehitriny, izay manao ny ainy tsy ho zavatra amin’ny tsy famerenana ny Filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana ka manao izay hisaratsarahan’ny mpitolona ao amin’ny Magro. Ohatra noraisin’ny mpanazava ny fisian’ny fitondrana amin’ny endriny hafa ny UAZD ka mamorona izany «Groupement» na «Plateforme» des Associations izany. Nambaran’ny mpitondra teniny fa tokana ihany ny «Union des Association Zanak’i Dada» izay Atoa Ranaivorazo Feno ihany no mpitondra teniny. Sarotiny amin’ny fiverenan’ny Filoha Marc Ravalomanana izy ireo ka mampitandrina ireo mampiasa ny anarana ary tsy tompon’andraikitra amin’izay zavatra mety hiseho.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT