Politique

TVM Tratry ny sivana ny zanak’i Dada


  • Talata 24 Janoary 2012

Nanaovan’ny TVM fandaharana manokana ny filohan’ny Les AS sady mpikambana eo anivon’ny Kongresin’ny tetezamita, Voninahitsy Jean Eugčne, ny alin’ny alahady 22 janoary 2012.

 Nandritra ny antsasakadiny latsaka teo, nitenenany tao, dia namatrapatratra sy namelively ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ny tenany tamin’izany. Nanaitra ny hambompon’ny zanak’i Dada io ary dia niditra an-tsehatra ny minisitry ny fambolena, Ravatomanga Rolland, sy ny mpanolotsaina araka ny lalàna, Benja Andriamihanta, nitaky mba tsy hilazana fa nanery ny praiminisitra Beriziky Jean Omer, nialoha ny nihazoan’ity farany an’i Afrika Atsimo omaly, ny hahazoan’ny ankolafy Ravalomanana, farafaharatsiny, ampaham-potoana mitovy tamin’ny nataon’i Voninahitsy hanaovan’izy ireo setriny ny filazan’itsy mpanao politika nigadra itsy, mba tsy ho diso fandray ny mpijery ny TVM. Nekena ary dia nanome toromarika ny minisitry ny serasera, Harry Laurent Rahajason, ny praiminisitra hanatanterahana izany.

Vehivavy roa, dia ny minisitry ny fiompiana Ihanta Randriamandrato sy ny filoha lefitry ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, Hanitra Rakotomavo, no tapaka fa hisolotena ny ankolafy Ravalomanana. Natao ny fandraisam-peo, izay naharitra ora iray teo, fa tsy nalefa nivantana. Fantatra fa dia farafahakeliny in-tsivy ny antso, baiko midina, azon’ny mpiasa tao amin’ny TVM nandritra ny fandraisam-peo. Vokany, zara raha nisy 13 minitra no nalefa, fa dia nosivanina ny resaka nalefa. “Tsy izao no nifanarahana, ka melohinay izao natao anay izao”, hoy i Benja Andriamihanta taorian’ilay fandaharana manokana, izay tsy nialohavana fampahafantarana fampiomanana, toy ny natao tamin’i Voninahitsy Jean Eugène, fa tonga dia nalefa amin’ny andro efa amin’ny 11 ora alina latsaka kely.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT