Taorian’ny fanakianana mafy nataon’ny praiminisitra an’ireo ben’ny tanàna mikasika ny pesta dia nivoaka tamin’ny fahanginany ny ben’ny tanànan’i Toamasina, Dr Ratsiraka Elisé Laurent, anisan’ny voakian’ny praiminisitra mafy tamin’ny resaka fanadiovana ny tanànan’i Toamasina.
Taorian’ny fanakianana mafy nataon’ny praiminisitra an’ireo ben’ny tanàna mikasika ny pesta dia nivoaka tamin’ny fahanginany ny ben’ny tanànan’i Toamasina, Dr Ratsiraka Elisé Laurent, anisan’ny voakian’ny praiminisitra mafy tamin’ny resaka fanadiovana ny tanànan’i Toamasina. Ho azy, fako sy parasy ary tsy misy pesta ny ao Toamasina. Aretina nentin’olona no misy ka izao mandripaka olona maro izao. Tsy midika izany fa hitazam-potsiny amin’ny loton’ny tanàna ny kaominina, izay efa manao ny ezaka rehetra. ». Ho an-dRatsiraka Elisé Laurent dia « mila sahy milaza fa tsy mahatohitra ny firongatry ny pesta intsony ny fanjakana, ka tsy menatra mangataka fanampiana iraisam-pirenena. Mahamenatra ny zava-misy eto amintsika, isika irery maneran-tany no misy pesta an-tanàn-dehibe amin’ireo firenena telo mbola misy pesta aty afrika ». Nohamafisiny fa loza mihatra ny aretina ka tsy mila miandry malagasy maro ripaka vao hiantso io fiaraha-miasa sy fanampiana iraisam-pirenena ». Ambaran’ny ekipan’ny prezidansa anefa fa miasa ny filoham-pirenena amin’ny fifehezana ny pesta. Manomboka amin’ny faran’ny herinandro izao ny fandrarahana fanafody any amin’ireo fokontany 138, ahitana toerana be mpivezivezy, biraom-panjakana ary ny fonja.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.