Matahotra fifidianana fadiranovana ny HVM. Resabe fotsiny hatreto ny fakan-kevitra momba ny lalàm-pifidianana fa tombanana izay mahadiavolana ny sain’izy ireo ihany no hivoaka eo.
Efa niseho izany tamin’ny famolavolana ny lalàna mifehy ny serasera. Hafa no niaraha-nanapaka tamin’ny dinika niarahan’ny mpanao gazety tamin’ny Fandaharanasan’ny Firenena Mikambana momba ny fampandrosoana (PNUD) tany Antsirabe, tsy arakarak’izay nifaneken’ny rehetra no navoaka, amin’izay mbola depiote tsy ampy roapolo akory no nandany ny lalàna teny Tsimbazaza. Toy izany no katsahina atao amin’ity lalàm-pifidianana ity. Tsy sahy mamoaka daty mazava ny mpitondra noho ny tahotra sy ny mbola ahiahy hoe : hahomby sa tsy hahomby ny paipaika, toy ny fisakanana ireo kandida atahorana ? Hatramin’ny CENI anefa no mangataka ny hamoahana ny daty mazava hanatanterahana ny fifidianana, saingy henoy izany ry hazon-damosiko no setriny. Tsy voadiniky ny Antenimiera ao anatin’ny fivoriana ara-potoana intsony ny lalàna mifehy ny fifidianana, izay azo adika fa amin’ny 2019 indray satria manomboka anio ny fitsaharan’ny raharaha politika, ka hifantohana amin’ny fety. Manomboka voaporofo ny hampitarazohana ny fifidianana, izay tombanana hihemotra hatrany amin’ny 2019, ary isan’ny antony goavana io tahotry ny HVM io.
Manangana ady
Mandeha ny tsindry eto an-toerana sy ny avy amin’ny iraisam-pirenena ny amin’ny tokony hisian’ny fifidianana mangarahara sy tsy misy fanilihana. Efa misy manao angoan-tenda kosa ny HVM, fa tsy hisy hampilafilain’ny Vondrona Eoropeanina sy ny sehatra iraisam-pirenena amin’izay resa-bola izany eto. Tsy maintsy hatao ny kajy maloto na inon-kidona na inon-kihatra satria ambara fa efa vonona hanohana (hono) i Iran. Mety hanome ihany koa i Torkia. Firenena arabo ratsiratsy toerana amin’ny endrika fampanjakana demokrasia ireo firenena roa ireo. I Torkia aza dia voalaza fa fitahirizan’ny fanjakana Islamika ny volany, ka 150 hatramin’ny 200 no efa tsikaritry ny Frantsay tamin’ity firenena ity sy i Liban momba ny fitahirizana vola mety hatokana ho amin’ny asa fampihorohoroana. Ny talen’ny sampam-pitsikolovana ara-bola Frantsay Traficfin, Bruno Dalle mihitsy no namoaka izany, nandritra ny fanolorany ny tatitra isan-taona momba ny fanadiovana vola maloto sy ny famatsiam-bola amin'ny fampihorohoroana. Misisika eto amintsika ireo be volombava avy any Torkia amin’izao fotoana. Tsy fantatra na efa miditra malalaka eto ny mpampihorohoro fa dia minia mangina ny fanjakana. Ny habakabaka rahateo nobanahana tamin’ny alalan’ny “Open Sky” ho an’ny Turkish Airlines, izay heverina fa tambin’ny volabe avy amin’ny arabo amin’ny fidiran’ireny vahiny be rebareba tsy mazava eto amintsika ireny. Tsy ny eto an-toerana ihany fa hatramin’ny sehatra iraisam-pirenena no toa hatsangana ho fahavalo, ka ho hita miandalana eo hoe: hatraiza tokoa ny tena tanjaky ny fanjakana HVM, izay mihevi-tena ho mahery sy afaka manao izay maha dia volana ny sainy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.