Politique

Tsy misy tahotra sy henatra intsony Kandidan’ny IRD no manao tsena mora


  • Alakamisy 24 Oktobra 2019

Toy ny zava-niseho teny Ambavahaditokana, izay nanaovana antso amin’ny peta-drindrina hoe tongava hisitraka ny tsena mora, ary ampiarahana amin’ny sarin’ny kandida ben’ny tanàna tohanan’ny IRD,

 

 

dia tsy tahotra tsy henatra intsony ihany koa ny an’ny kandidam-panjakana tany Antsirabe. Ankoatra ny fijoroana niaraka tamin’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina, izay miendrika propagandy ankolaka, dia ny kandidan’ny TGV mihitsy no miditra an-tsehatra amin’ny fikarakarana sy ny fivarotana ny entana ao anatin’ny tsena moran’ny fanjakana. Tena lasa fitaovana hampandaniana ny kandidam-panjakana mihitsy io tsena mora io. Tsy misy miteny sy manakiana na ny CENI na ny HCC, eny hatramin’ny firaisamonim-pirenena aza. Rehefa tonga ny fitoriana samihafa, dia ny azo raisina fa tsy mitombina, ary ny kandida mametraka fitoriana indray aza no mahazo tsiny ambara fa tsy mahafehy ny fepetra amin’ny fitoriana. Rehefa fifidianana eto Madagasikara, dia toa lasa hadalan’izay tsy hangala-bato sy hanao hosoka na fomba mamohehitra amin’ny endriny rehetra handresena. Ankoatra ny teny Ambavahaditokana, Antsirabe, dia misy tranga mitovitovy amin’izao ihany koa any Soalandy Ankadivoribe, ankoatra ny any an-toeran-kafa. Potika tanteraka ny fifidianana, izay mivadika fividianana amin’izao fotoana izao. Toa tsy taitra ny amin’izany ny olom-pirenena, ary efa tsy marisika intsony ihany koa amin’ny fandraisana andraikitra amin’ny fifidianana noho ny fahakiviana. Ny firaviraviana tanana anefa vao mainka manome vahana ny zavatra tsy manjary.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT