Politique

Tsy misy ny vola Rakotra grevy Madagasikara


  • Alarobia 13 Aprily 2016

Fanina tanteraka ny vahoaka manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena.

 

 Vola be 115 miliara ariary no holaniana amin’ny fanamboaran-dalana avy eny Ivato mankaty an-drenivohitra mba handavorariana ny fivoriamben’ny frankofonia amin’ny volana novambra ho avy izao. Ny amin’ny fanamboarana ireo fotodrafitrasa hafa mbola manginy fotsiny. Etsy an-kilan’izay anefa dia mitokona sy migrevy ny etsy sy ny eroa mitaky ny zony amin’ny tambin-karamany, ny amin’ny fanomezana azy ireo fitaovana na sehatra ho enti-manatsara ny asany ny mpianatry ny oniversite (Antananarivo), ny mpampianatra FRAM (Antsirabe, Maroantsetra), ny mpiraki-draharaha sy mpiambina fonja (manerana ny nosy), ny vadintany (Fianarantsoa). Ny tetsy Anosy moa dia niafara tamin’ny fanapitsohana biraon’ny mpiraki-draharaha omaly, amboletra tsy misy ohatr’izany intsony, efa tonga hatrany anatin’ny lapan’ny fitsarana izany ny vaky trano. Ny an’ny fitsarana tsy voavaha ity tonga koa ny an’ny mpitsabo mpiana-draharaha mitaky ny tambin-karamany dimy volana tsy voaloa. Mandrahona ny hampiato ny fianaran’asany ireto mpianatra, raha tsy hita ao anatin’ny fotoana voafetra ny vahaolana ary mivoaka ao anatin’ny 48 ora ny tetiandro hizarana ny vatsim-pianarana, efa “service minimum” sisa no nataon’izy ireo nanomboka omaly. Ho an’ny vadintany ihany koa dia tapa-kevitra ny hampaneno lakolosy noho ny fanoheran’ireo manam-pahefana matetika ny fanatanterahan’izy ireo ny asany amin’ny fampiharana ny didim-pitsarana, malaza no manembatsembana ny asan’izy ireo ny depiote sasany. Any Morondava, miakatra ny feon’ny vahoaka manoloana ny tsy fisian’ny jiro. Zara raha mirehitra adiny telo isan’andro ny jiro ankehitriny. Nanome 72ora, tapitra anio ireo mpanjifa ary dia milaza fa hidina an-dalambe ny vahoaka rahampitso alakamisy. Raha izao fitrangany izao dia mety ho taonan’ny grevy indray ity 2016 ity.


 Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT