Politique

Tsy milamina ny tanàna Nidina an-dalambe ireo mpivarotra


  • Alarobia 05 Febroary 2020

Horakoraka sy tabataba tsy nifandrenesana tetsy Anosy omaly tolakandro satria dia nidina an-dalambe nivezivezy nanamorona an’iny farihy iny sy ny manodidina azy ireo mpivarotra amoron-dalana.

 

 

 

Antony, noho ny fitsipahana hatrany ny fanesorana azy ireo “teny amin’ny toeram-pivarotana mahazatra azy”. Tsy ekena, hoy hatrany ireto mpivarotra ireto, ny fanesorana anay fotsiny amin’izao kanefa tsy misy vahaolana. Efa fahasahiranana hatramin’ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo teo aloha rehetra ny fanalana ireo mpivarotra amoron-dalana. Efa nampiaiky hatramin’izay fa tsy vahaolana tokoa ity avy hatrany dia manala azy ireo amin’ny toerany fotsiny amin’izao ity. Misy tamin’ireo mpivarotra no nilaza fa mihena ny tombombarotr’izy ireo raha vao miditra anatin’ireo tsena efa misy ankehitriny. Efa lasa fahazaran-dratsin’ny vahoaka rahateo ilay mividy zavatra amoron-dalana. Samy tsy nisy te hamaha ny olana mikasika ny fifamoivoizana aterak’ity fivarotana amoron-dalana sy fibahanana arabe toy ny fiakaran’ireo fiara eny amin’ny lalan’ny mpandeha an-tongotra ity avokoa ireo mpitantana tanàna rehetra nandalo saingy tonga amin’ny tononkiran’ny mpanakanto iray izay izy ity hoe “tsy azonao alaina “zebra” (an-keriny) daholo” ny zavatra rehetra. Tsy mety sy tsy ara-dalàna ny mivarotra amoron-dalana saingy mialoha ny hanalana ireo mpivarotra, inona no vahaolana maharitra avy amin’ny mpitondra ahafahan’izy ireny manohy ny fivelomany ? Raha hamorona tsena vaovao mety amin’izy ireo dia inona no tokony hatao ary aiza avy no toerana mety ?

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT