Anisan’ireo kandida ho depiote tsy miankina amina antoko na vondrona politika hilatsaka ao amin’ny distrikan’Ambohidratrimo ihany koa ny mpikamban’ny VTTM tarihin’ny filohany, Arlette Ramaroson i Andoniaina Yani Andrianasolo.
Manoloana ireo tsikera marobe mikasika ny fidiran’ireo tsy manana antoko ao amin’ny antenimieram-pirenena dia nilaza ny tenany fa tohina tolona iray efa natao taona maro no antony hilatsahan’ny tsy miankina. Vaindohan-draharahanay ny ady amin’ny kolikoly sy fananantany, hoy hatrany ny tenany. Mila aparitaka amin’ny solombavambahoaka namana ny fahamarinana ary maneho amin’ny vahoaka izahay fa ity ilay ady apetrakay. Toy io resaka fananantany io, anisan’ny lasibatra ny faritra Ambohitrimanjaka satria olana goavana tokony hovahana ao ny tsy fahamarinan-toeran’ny taratasin’ireo vahoaka.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.