Tsy fantatra mihitsy izay tena ao an-dohan’ireo depiote eto amintsika. Fa angaha moa izy ireo tsy nilatsaka hofidina mba hitondra ny hetahetan’ny vahoaka no dedaka manao kandida praiminisitra sy minisitra indray aty aoriana ?
Resaka tena samy hafa mihitsy anefa izany asana solombavambahoaka sy praiminisitra na minisitra izany. Ny voalohany fahefana mpanao lalàna sy mpanara-maso ny asan’ny governemanta, ny faharoa sy fahatelo kosa fahefana mpanatanteraka, izany hoe manatanteraka ny fandaharanasan’ny filoha amin’ny alalan’ny politika ankapoben’ny fanjakana. Fa dia tsy misy olon-kafa manampahaizana sy fahalalana ankoatra ny depiote mihitsy ve izany eto Madagasikara ? Tsy fanambanian’olona fa mba fantapantatra daholo ihany ny toetra sy faripahaizana ary fomba fiasan’ireto depiote ireto, ka tsy haharesy lahatra mihitsy aloha ny hanendrena ho minisitra ny sasany amin’izy ireo e ! Tena mbola olana goavana eto Madagasikara ny fitiavan-tsezan’ny mpanao politika, tsy mbola matotra, tsy manam-paharetana fa tia vao sy te hiovaova seza foana. Ohatra ratsy ho an’ny vahoaka io ka mety izany no maha sarotra ny fametrahana ny fitoniana eto, tsy mahari-pery fa miovaova fisainana sy foto-kevitra isaky ny mihetsika. Tsy hisy fampandrosoana ho vanona amin’izany e !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.