Politique

Tsy manana olona ny TGV sy UDR-C Nameno ny banga ny TIM Raharinaivo sy GMMR


  • Alakamisy 01 Desambra 2011

Tsy nanaiky raha tsy mahazo toerana ao amin’ny CT sy CST ny ekipan-dRaharinaivo sy Yves Aimé Rakotoarison.

 Any amin’ny TGV sy UDR-C no nasisika izy ireo. Politika no atao, mazava ny resaka eto fa tsy manana olona ny TGV sy UDR-C, ka ny TIM-Raharinaivo sy ny GMMR no mameno ny banga. Miharihary koa fa dia mersenera politika ireto farany, na be filaza aza ny CST Ralison Jaona fa manilikilika azy ny ankolafy Ravalomanana. Mitady toerana fotsiny ireo, tsy mitsinjo afa-tsy ny tombontsoan'ny tenany. Dia gaga ny mpanara-baovao ka velom-panontaniana hoe : fa iza marina moa no tena mitady toerana e ? Sao dia mba ireo nanili-tena tamin'ny nisy azy nefa tsy tafiditra tao anaty governemanta intsony ary tsy ao anatin'ny lisitra mihitsy noho ny fahafantaran’ny rehetra fa tsy nahavaha olana izy ireo, ka mitady sy misisika manabe olana any amin'ny vondrona hafa, sa ireo tena ao anatin'ny vondrona nanao sonia ara-dalàna ny tondrozotra ? Asa aloha !
Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT