Politique

Tsy manan-tsafidy ny HVM Fomba maizina sisa hianteherana


  • Zoma 05 Janoary 2018

Miha mafana ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana akaiky fifidianana izao. Mbola mandeha ny ady hevitra isan-karazany momba ny fitsipi-dalao amin’ny fanatanterahana ny fifidianana filoham-pirenena. Mitaky ny hisian’ny fitsipi-dalao mazava sy hifanarahana ny herivelona maro eto amin’ny firenena: antoko politika, firaisamonim-pirenena, fikambanana,…

Toa miziriziry amin’ny heviny sy sarintsarim-pakana hevitra hatrany kosa ny fanjakana HVM, fa ny ataony ihany no hataony. Lalaovina ny fotoana fa tsy vonon-kisokatra na efa ela aza ny maro no nitaky fametrahana fitsipi-dalao mazava. Izay iray alehany avy hoe tsy tratra ny fe-potoana napetraka hametrahana izay lamina sy lalàna ary fitsipika hifanarahan’ny rehetra, ka dia izay efa nomany sy metimety aminy no terena hoekena eo. Ny 9 janoary 2018 izao no hanao fivoriana tsy ara-potoana ny antenimieram-pirenena, ka tsy hihoatra ny 12 andro izany. Isan’ny hivoatra ao anatin’izany ny fandinihana ny lalàna mifehy ny fifidianana. Mba tena niarahan’ny rehetra nandrafitra ve no havoaka sy holaniana ao? Nisy ny fakan-kevitra na saritsarim-pakana hevitra tamin’ny antoko politika sy ny firaisamonim-pirenena, saingy tombanana avy hatrany fa mety ho fihetsika am-pitaka fotsiny izany hoenti-milaza sy mampiseho, fa nisokatra tamin’ny herivelona rehetra ny fandrafetana ny lalàna. Toa efa nanipy teny mikasika izany rahateo ny praiminisitra Mahafaly Olivier, fa efa voaray ny soso-kevitra maro, fa ny fomba fanoratana ny lalàna no mety tsy hampitovy hevitra, raha dinihina ny zavatra nambarany. Eo amin’izay no hanaporofo hatrany ny kajikajy, toy izay efa natao tamin’ny lalàna mifehy ny serasera sy ny fifandraisana hoe: nisy ny lalàna niarahan’ny mpanao gazety sy ny PNUD nandinika sy nanapaka, fa zavatra hafa sy izay netinety tamin’ny mpitondra kosa no nivoaka avy any tamin’ny ora farany. Tsy sahy tena miady hevitra sy mametraka fitsipi-dalao hiraisana sy eken’ny rehetra ny fanjakana Rajaonarimampianina satria fantany satria tsy hisy hangirana ho azy intsony eo raha vao izay no mipetraka. Tsy misy antoko na vovonana mitaky  eto hoe omeo tombondahiny izahay, fa ny hitovian’ny rehetra sy ny hisian’ny tondrozotra mazava sy mahitsy no tadiavin’ny maro, saingy ny làla-maizina hany tokana hahafahany mandresy sisa no kotrehin’ny HVM hizorana. 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT