Zava-dehibe loatra ny fisian’ny fitoniana politika eto amin’ny firenena, hoy ny filoha Hery Rajaonarimampianina tany Manakara ny faran’ny herinandro teo. Io no takian’ireo mpiara-miombon’antoka mba hivoahan’ny famatsiam-bola avy eo
. Izay fahatongavan’ny famatsiam-bola izay ihany no hahafahantsika manorina sy manangana fotodrafitrasa ary mampandroso ny firenena amin’ny alalan’ny PND na ilay fandaharanasam-pampandrosoan’ny fitondram-panjakana, hoy ny filoham-pirenena. Fanambarana mifandray ihany tamin’ilay fiantsoana fifanomezan-tanana tany Toamasina ity pi-maso ho an’ny mpamatsy vola tany Manakara ity, izay manamarina ny nambara rehetra hatramin’izay fa efa tena sempotra noho ny tsy fananam-bola ny fanjakana HVM. Efa mba nitady tetsy sy teroa ihany, saingy tsy misy sahy manome bolongam-bola matevina satria mbola firenena ao anatin’ny tsy filaminana ara-politika i Madagasikara ankehitriny.
Fotodrafitrasa 5
Fotodrafitrasa 5 no indray notokanana tany an-toerana. Teo aloha ny Institut Supérieur de Technologie (IST), vokatry ny fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny Fiangonana Ortodoksa. Nahazo trano vaovao ihany koa ny lisea teknika ao Manakara izay ahitana efitrano fianarana lehibe 3 sy toerana fanaovana asa teknika miaraka amin’ny fitaovana. Zava-bita fahatelo notokanana ny Lisea Sileny Paul izay nohavaozina, niaraka tamin’izany koa ny Vitrine Numérique ao Manakara. Ahitana solosaina am-polony ity ivontoerana ity ary maimaimpoana ny internet ao aminy. Tafiditra ao anatin’ny tetikasan’ny filoham-pirenena ny nananganana ny Vitrine Numérique ao Manakara ary natao indrindra hanampiana ny tanora amin’ny fianarana sy fikarohana ny zava-baovao entin’ny teknolojia sy mba ho fampandrosoana ny isam-paritra, hoy ny filoha Rajaonarimampianina. Fa nahazo trano vaovao ihany koa ny fiadidiam-paritry ny tontolo iainana sy ny ekôlôjia ary ny ala ao amin’ny renivohitry ny faritra Vatovavy Fitovinany sy ny BCMM (Bureau du Cadastre Minier de Madagascar). Tena maro mantsy ny mpitrandraka harena ankibon’ny tany any amin’iny faritra iny ka nezahana manakaiky ny vahoaka ny BCMM mba hampahafantatra ny lalàna momba ity sehatr’asa iray ity sy hampihatra ihany koa ny lalàna sy ny fenitra.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.