Politique

Tsy maintsy hanapa-kevitra


  • Alatsinainy 15 Aprily 2013

Anio sabotsy no hanainga ho any Afrika Atsimo ny solontena avy amin’ny ankolafy Ravalomanana ka hikaon-doha mandritra ny roa na telo andro miaraka amin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, handinihana ny toe-draharaham-pirenena sy ireo fanapahan-kevitra tokony horaisina. Inoana fa horesahana any koa ny dinika karakarain’ny FFKM.

 Eo koa anefa ny hetsika ataon’ny FFM, samy mifantoka amin’ny fampihavanana avokoa izany rehetra izany. Manaiky ny hiroso amin’ny fampihavanana ny ankolafy Ravalomanana, mitaky ny fampiharana manontolo ny tondrozotra kosa anefa, milaza fa tsy tena mbola mahazaka vahoaka ity ankolafy ity ary tsy matahotra fifidianana, saingy tafody eto i Dada izay vao manolotra kandida. Inoana fa efa manana ny eritreriny momba izany Atoa Ravalomanana, ary misy antony matoa tsy nanendry maimaika izay hisolo azy. Mandeha be tokoa mantsy ny feo fa misy maika ny ho kandida ao anatin’ity ankolafy ity koa na tsy tafody eto aza i Dada dia mihevitra izy ireo fa tokony ho fantatra haingana ny anaran’ny kandida ary manatitra dosie avy hatrany io kandida io. Inona no mety hitranga raha toa ka tsy nahazo ny tsodranon’ingahy Ravalomanana io olona efa te ho kandida io ? Hivaky roa na telo tahaka ny nahazo ny TGV koa ve ny ankolafy Ravalomanana, ankoatra ireo efa nisintaka noho ny fitiavan-tseza sy vola ?

Efa misy ihany ny ahiahy eny an-kianja eny hatry ny ela fa hoe tena misy mpamadika ato, misy koa ny mpitari-bato vilam-bava, ao koa ny mpitati-bolana. Ary mety ny fahafantarana izany no mahatonga an’i Marc Ravalomanana ho hentitra sy nilaza fa raha tsy tonga eto izy, tsy misy anarana kandida mivoaka izany. Miroso hatrany ny andro, maro ny vahoaka mpifidy manantena fa hanana kandida ny ankolafy Ravalomanana, ary hiverina soa aman-tsara an-tanindrazana i Dada. Ireo teboka lehibe roa ireo no heverin’ny mpanara-baovao politika fa fototry ny dinika any Afrika Atsimo, ary amin’ny alatsinainy farafahatarany dia hisy ny fanapahan-kevitra horaisin’ity ankolafy ity.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT