Raha niroso tamin’ny « Loabary nasionaly ho fanorenana ifotony sy ho fanarenana an’i Madagasikara» isika Malagasy dia azo natao tsara ny nisoroka ny pesta izay misy isan-taona, mba efa lasa biometrika ny lisi-pifidianana,…
hoy ny CRAM (Cercle de Réflexion pour l’Avenir de Madagascar). Efa ho telo taona izao ny CRAM no niantso ny rehetra kanefa mety any amin’ny Repoblika fahadimy vao ho tanteraka. Tapa-kevitra izahay handroso vahaolana amin’ny ampahany satria efa an-jatony ny mpiray tanindrazana matin’ny pesta amin’izao ary tsy afaka hiandry ny fampielezan-kevitra amin’ny 2018, hoy ny CRAM. Tsy manana vina mazava ny mpitondra hiadiana aminy. Raha nahatratra 75 ny mpiray tanindrazana matin’ny pesta tamin’ny taona 2015, tsy hita mazava ny fepetra noraisin’ny fanjakana tao anatin’ny roa taona. Tsy maintsy hitondrana fanatsarana ny fitsipika mifehy ny fahadiovana (Code d’hygiène): hatsangana ny « guichet unique » isaky ny Firaisana manerana an’i Madagasikara,... Mila apetraka ny satan’ny tontolo iainana, ka hatomboka amin’ny Repoblika fahadimy, fa singanina manokana ny « hetra manokana momba ny etona maloto (carbone) ». Hisy sokajiny telo izy io dia ny hetra ho an’ny orinasa lehibe, ny hetra ho an’ny « engins », fiarabe mpitatitra entana sy olona, ny hetra ho an’ny fiara sy ny moto. Apetraka ny fifaninanana « Fokontany maha te honina » amin’ny alalan’ny fambolena « mangrove » na ala honko, voninkazo sy hazo fihinam-boa,... Miainga amin’ny vina mazava ny fandraisan’andraikitra, ka tsy rehefa mby an-koditra hatrany ny olana goavana vao mody mikoropaka sy manao seho ivelany etsy sy eroa ny mpitondra mba hanairana an’izao tontolo izao mba «hisian’ny fanampiana ara-bola sy ara-pitaovana avy any ivelany ». Hanao lisitry ny mpifidy biometrika aza dia mbola misy sahy milaza fa mila famatsiana avy any ivelany izany. Mila manana vina mazava ny fitondram-panjakana amin’ny 2018 fa tsy sanatria mety « hitampim-bava» ny olom-pirenena mandritra ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana izay Filoham-pirenena, amin’ny andron’ny fifidianana sy mandritra ny fanisam-bato.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.