Politique

Tsy kandida ireo filoha teo aloha Tetika hanilihana an-dRavalomanana


  • Alatsinainy 02 Aprily 2012

Manomboka re eo anivon'ny tontolo politika indray izao ny hoe : tsy tokony ho kandida amin'ny fifidianana ho avy manaraka eo intsony, ireo filoham-pirenena teo aloha ka tafiditra ao anatin'izany i Andry Rajoelina.

 Tolo-kevitra efa nivoaka ihany moa izy io tany amin'ny 2010 tany tao anatin'ireo karazana dinika sy fihaonambe natao, saingy somary nangina kely, dia izao miverina resahana izao indray. Ny mpanao politika sasany ao amin'ny vondrona Escopol dia nilaza mihitsy ny faran'ny herinandro teo fa mety horesahana eny amin'ny Parlemanta izy io. Ireo mandinika tsara ny tontolo politika dia mahatakatra avy hatrany fa tetika hanilihana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana indray izy io. Zovy ny tsy mahalala fa mitady ny fomba rehetra tsy hahatafiditra an'ingahy Ravalomanana eto i Andry Rajoelina sy ireo mpiaradia aminy, ary raha toa aza ka tonga eto ihany ity filoha teo aloha ity, ary foana ny fanenjehan'ny fitsarana azy, araka ny ambaran'ny andininy faha-16 ao amin'ny tondrozotra, dia misy indray ireo mahita hevitra hafa hanakanana ny mety hiverenany amin'ny fanaovana politika sy ny fitantanana ny firenena.

Tsy dia manapotika na manimba firy an’i Andry Rajoelina io fepetra tsy fahafahan'ny filoha teo aloha milatsaka hofidiana io, satria izy mbola tanora, ka mety tsara aminy aza, raha afaka 5 na 10 taona izy vao voafidy filoham-pirenena. Misy dikany lehibe ihany koa, ary mety misy ifandraisany amin'ity paikady ity, ny tsy mbola nanambaran'i Andry Rajoelina, tamin'ny fomba ofisialy na ho kandida izy, na tsia. Ireo filoha mirahalahy teo aloha, Albert Zafy sy Didier Ratsiraka moa dia efa azo antoka fa tsy ho kandida izany intsony, noho ny taona efa mandroso sy ny antony ara-pahasalamana. Somary sarotra ihany ny hanilika an'i Marc Ravalomanana amin'ny alalan'ilay tondrozotra. Hita koa fa mbola an-tapitrisany ny Malagasy mety handatsa-bato ho azy, ary mazava ny resaka fa manana traikefa amin'ny fampandrosoana sy fitantanana ny firenena izy, manana fandaharan'asa matotra, ary atokisan'ny mpamatsy vola sy ny mpandraharaha eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena. Mety ho noho izany antony rehetra izany, no mahatonga ireo mpifanandrina politika aminy, mitady ny fomba tsy hahafahany miverina amin'ny fanaovana politika sy ny fitantanana ny firenena.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT