Politique

Tsy izy io governemanta io “Sazio ny FAT !”, hoy i Louis Michel


  • Alakamisy 01 Desambra 2011

Miantso ny Vondrona Eoropeanina i Louis Michel, hanamafy ny sazy amin’ny FAT ary tsy tokony hakantoavina io governemanta mijoro io.

Miantso ny Vondrona Eoropeanina hanohana ny fanatanterahana ny fihaonana an-tampon’ireo filoha efatra mpitarika ireo firehana politika lehibe eto Madagasikara, hisian’ny tenierana amin’ny fametrahana tetezamita iaraha-mitantana sy andraisan’ny rehetra anjara. Ankoatra izay dia mitaky ny hamoahan’ny FAT fepetra hampisy fitoniana ihany koa izy sy fampitsaharana miaraka amin’ny vava ny antsojay sy fampihorohoroana amin’ny endriny samihafa. Tao anatin’ny taratasy iray pejy, miendrika fanontaniana, nalefany any amin’ny Parlemanta Eoropeanina ny 29 novambra teo, no nanambaran’i Louis Michel, filoha mpiara-mitantana ny Vondrona parlemantera iraisan’i Afrika-Karaiba-Pasifika sy ny Vondrona Eoropeanina, izany. Nitanisa antony maromaro izy nanohanany ny heviny, amin’ny tokony handraisan’ny Parlemanta Eoropeanina ireo fepetra ireo, manoloana ny zava-mitranga amin’ny fanatanterahana ny tondrozotra.

Tsy voahaja.

Rehefa nandinika sy namakafaka ny fandehan’ny raharaha i Louis Michel, dia mahatsapa fa tsy tafavoaka ny praiminisitra Omer Beriziky amin’ny fametrahana governemantan’ny firaisam-pirenena, araka ny voatondron’ny tondrozotra voasonia tamin’ny 17 septambra 2011, tokony hamoahana an’i Madagasikara amin’izao krizy diaviny izao. Teo amin’ny fanendrena ny praiminisitra Omer Beriziky dia efa tsy voahaja ny andininy faha-5 amin’ny tondrozotra, hoy i Louis Michel, satria tsy nisy fiaraha-midinika na koa fakan-kevitra nifanaovana tamin’ny ankolafy mpanohitra, nialoha ny fanendrena izay olona nifanarahana ho praiminisitra. Rehefa izay dia tsy mbola voahaja ihany koa ny fifandanjana arak’isa sy ara-politika amin’ny firafitry ny governemanta. Vokany, sady mitanila no tsy iraisana fa mbola taritokana io governemanta mijoro io. Mbola manao tsindry aloka Atoa Andry Rajoelina manery ny hanarahana ny safidiny tamin’ny fananganana ny governemanta, ahafahany mamihina ny fahefana, hoy ity Kaomisera Eoropeanina ity. Manohitra izany toe-javatra mifono tsikombakomba izany ny mpanohitra, hoy i Louis Michel, hany ka tsy mandray anjara amin’ny dingana fampiharana ny tondrozotra hivoahana amin’ny krizy.

Mikasika ny zon’olombelona, manamarika i Louis Michel, amin’ity taratasy nalefany any amin’ny Parlemanta Eoropeanina ity, fa manahy mafy ny Amnesty International amin’ny fihetsik’ireo hery famoretan’ny FAT izay tsy mitsahatra ny manosihosy ny zon’olombelona, toy ny fampijaliana ary koa fisambotsamborana olona ary koa ny fitazonana am-ponja tsy misy antony mazava. Nataon’i Louis Michel vaky bantsilana ihany koa fa tsy arakaraka izay voasoratra ao amin’ny tondrozotra ny zava-mitranga ankehitriny, satria hatramin’izao dia tsy misy tetiandro mazava hahafahan’ireo sesitany politika miverina an-tanindrazana tsy misy fepetra, ary ny loza aza, hoy izy fa mbola misy didy fampisamborana indray mitatao amin’ny filoha Marc Ravalomanana, nefa efa tokony ho natsahatra sy nofoanana avokoa izany.

Noho ireo antony ireo no mahatonga azy mametra-panotaniana amin’ny Parlemanta Eoropeanina, hoe toe-javatra toy izany no mendrika fankatoavana ? Tsy tokony hotohanan’ny Vondrona Eoropeanina ve ny fanatanterahana ny fihaonana an-tampon’ireo filoha efatra mitarika firehana politika lehibe eto Madagasikara, hisian’ny tenierana amin’ny fampijoroana ny tetezamita iraisana ? Tsy tokony hohamafisin’ny Vondrona Eoropeanina ve ny sazin’ny FAT, raha tsy mbola misy ny fepetra hampisy fitoniana eto ?
Nangonin’i Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT