Antomotra ny fifidianana ary manomboka misongadina ireo kandida lehibe sy ny mpanosika ao an-damosiny. Miasa be ny tontolon’ny “géo-politique” na ny fidirana an-tsehatry ny firenen-dehibe sy ny fampiasany ilay heverina ho fahefana politika ananany amina firenena iray.
Misisika mafy eto Madagasikara ny vahiny satria fantany ny harena tsy hita noanoa eto. Mahatratra hatrany amin’ny 20 miliara metatra tora-telo, ohatra, ny tahirina “gaz naturel” any Mahaboboka Sakaraha ; mihoatra ny 3 miliara barila ny solika mavesatra any Tsimiroro ; eo ihany koa ny solika ambany ranomasina manaraka ny lavan’ny lakandranon’i Mozambika ... Matoa ny orinasa Ambatovy mahavita mampiasa 8 miliara dolara dia misy tombontsoany goavana ao. Hatrany amin’ny 60 000 taonina ny Nikela, ary 5 600 taonina ny kobalta voadio vokariny isan-taona. Tany amin’ny taona 1990 isika no nitovy laharana tamin’i Maorisy, saingy faha-5 mahantra indrindra eran-tany amin’ izao 2017 izao. Manan-karena avo 25 heny amin’I Madagasikara kosa ity nosy kely ity ankehitriny satria hainy ny nampiasa ny harena nananany ho an’ny tombotsoan’ny firenena miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka. Lojika raha miezaka mametraka olona ny vahiny hanamorana ny fitrandrahana izany, ary ny mpanao politika mitady ny fanohanany. Ny filoha ankehitriny Hery Rajaonarimampianina izao, dia tsikaritra fa mitady ny fanohanan’ny sinoa, ka io efa manome vahana ny kelimaso io. Tsy mazava ihany koa ny fifanarahany tamin’ny Tiorka. Tsikaritra fa ny Frantsay niara-dia tamin’ny Filoha teo aloha Nicolas Sarkozy kosa no ao an-damosin’i Andry Rajoelina. I Marc Ravalomanana hatramin’izay dia somary nitodika bebe kokoa tany amin’ny Amerikanina. Mafonja ihany koa ny fifandraisany amin’ireo firenena matanjaka any Eoropa, toa an’i Alemaina, Norvège, Suède… ary hita ho tsy dia manana olana amin’ny Frantsay izy ankehitriny na nisy aza ny raharaha 2009. Kandida tsara fifandraisana amin’ny sehatra iraisam-pirenena sy mpamatsy vola ny tenany. Voalaza fa Kandida atokisan’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena ihany koa i Orlando Robimanana, Tale jeneralin’ny Tahirimbolam-panjakana teo aloha, ary manam-pahaizana manokana efa nampiasain’ny FMI. I Ny Rado Rado Rafalimanana indray dia tsara fifandraisana amin’ny Arabo Saodiana.Tsy ny fiaraha-miasa no olana sy mety mampiahiahy ny maro, fa ny ao ambadik’ilay fanohanana. Mila mokon-doha sy paikady tena mafy io satria na iza na iza mitondra eo tsy maintsy hitady làlana izy ireo, saingy ny zava-dehibe ho antsika, dia ny fahaizana manararaotra izany ho an’ny tombontsoan’ny Malagasy.
Toky R sy Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.