Resabe teto amin’ny tany sy ny fanjakana ny fanilihana ny resa-pivavahana sy finoana nandritra ny fianianan’ny filoha ankehitriny ny 19 janoary 2019.
Navoitra tamin’izany ny fanajana ny fisarahan’ny fitantanana ny raharaham-panjakana amin’ny resa-pivavahana na ny « laicité de l’Etat ». Gaga sy talanjona indray ny rehetra fa nifanohitra tamin’io ny zava-niseho teny Anatirova nisian’ny fotoam-pivavahana nisaraisan’ny lohandohan’ny mpisorona eto amin’ny firenena notarihin-dRajoelina ny 27 janoary 2019, nilazany fa zava-dehibe loatra ny hanankinana amin'Andriamanitra ny fiainam-pirenena. Ny zavatra rehetra dia hankinintsika amin'ny Finoana..., Sambatra isika manana an'i Jesoa Kristy amin'izany. Samy hafa ny fomba firesaka tao anatin’ireo toe-javatra roa ireo. Ny zavatra anankiray manitikitika ny sain’ny olona sasany dia ny hahatongavan’ny Papa François eto amintsika amin’ny volana septambra. Tsy izay no olana satria miandrandra mafy izany ny mpino kristianina katolika, ary maro ihany koa ny liana. Tsy misy tokony hahaseriny an-dRajoelina amin’ny fidokafana sy fikarakarana manokana, raha tena manaja ny tsy fiandanian’ny fitantanana ny raharaham-panjakana sy ny fivavahana tokoa izy. Ao anatin’ny finoana katolika izy fa raha mihevitra ny tenany ho filohan’ny Malagasy rehetra izay tsy katolika ihany fa misandrahaka amina antokom-pinoana sy antokom-pivavahana samihafa, dia mitandrina bebe kokoa. Tena marina sy tsy azo lavina, fa reharehan’ny firenentsika ny mampiantrano ny Papa, izay sady filoham-panjakan’i Vatican saingy mitady ho lasa fitaovana politika hireharehan’ny filohantsika izany ankehitriny.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.