“Tsy tara ve ny fihetsikareo parlemantera nivory teto Anosikely ny alakamisy 6 septambra nilaza fa haminavina ny fananganana vaomiera manokana handinika akaiky ity toe-draharaha mavaivay any Atsimon’ny Nosy ity ?”, hoy ny mpanao gazety. Novalian’ny filohan’ny vaomieran’ny fandriampahalemana eo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, Alain Ramaroson izany hoe : “Eto amin’ny firenena dia misy ny fahefana mpanatanteraka, misy ny fahefana mpanao lalàna sy mpanara-maso tahaka anay parlemantera. Izahay dia milaza fa efa ela no samy niresaka an’io trangan-javatra io ary efa noresahina foana io tany amin’ny kaomisiona. Mijery ny fihetsiky ny mpanatanteraka koa izahay hoe araka tokony ho izy ve ny ataon’ny governemanta ? Maro ny tatitra tonga aty aminay ka izay no mahatonga anay hanao iza fivoriana izao. Matoky aho fa tsy ho tara, samy ho taitra amin’ny maha-olom-pirenena manana havana izay any atsimo any satria havana daholo ireo dia mahalala hoe tsy maintsy misy koa hatao satria tsy afaka hiraviravy tanana fotsiny hifampijery. Raha toa misy hifanohanana amin’ny ataon’ny mpanatanteraka dia vonona koa izahay matoa tonga eto hifandinika sy hijery faran’izay maika ny mitranga any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy iny».
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.