Tsy fahatomombanan’ny lisitra sy kara-pifidianana

> Miahiahy ny mpanaramason’ny Vondrona Afrikanina


  • Talata 22 Oktobra 2013

Nanome ny fomba fijeriny ny fanomanan’ny CENI-T ny fifidianana sy ny fizotry ny fampielezan-kevitra ny iraka mpanaramaso avy amin’ny Vondrona Afrikanina manana mpanaramaso 30 isa. Mahatsapa izy ireo fa hanahirana amin’ny fanatontosana ny fifidianana ny haben’i Madagasikara, ny haratsian’ny lalana sy ny halaviran’ny tanŕna sasany.

Milaza koa ry zareo fa mila fanofanana matanjaka kokoa ny mpiasan’ny CENI-T sasany. Momba ny fampielezan-kevitra dia malalaka ny kandida tsirairay mitety ny Distrika sy Kaominina samihafa. Izany tranga izany dia mampisy fitoniana amin’izao ankatoky ny fandatsaham-bato izao, araka ny tatitra nataony ihany. Noho ny tsy fisian’ny lalàna mametra ny vola ampiasain’ny kandida anefa dia mivandravandra ny fisian’ny fitanilana amin’ny fampielezan-kevitra satria misy ireo mahatety tanàna maro raha ao kosa no sahirana. Milaza koa ireo mpanaramaso ny Vondrona Afrikanina fa tsy nisy ny olana goavana tsikariny momba ny fampielezan-kevitra afa-tsy ny fandrovitan’ny olona ny afisin’ireo kandida. Mahagaga ihany moa no tsy nahalalan’ireto Afrikanina ireto ny tsindron’antsy nahazo ny mpanohana kandida iray tao Toamasina ka nahafaty azy. Momba ny serasera dia manana anjara fotoana mitovy ny mpifaninana rehetra amin’ny RNM sy TVM saingy misy kosa ireo be vola ka hita foana amin’ny fitaovan-tserasera tsy miankina. Momba ny fiarahamonim-pirenena izay tokony hisahana ny fanentanana ny olona hifidy sy mampianatra ny fampiasana ny bileta tokana dia ambarany fa tsy afaka mamita ny asa an-tsakany sy an-davany izy ireo noho ny fiankinan-doha amin’ny vahiny sy hakelin’ny traikefa ananany ary ny tsy fananany ratsamangaika. Mametraka ahiahy amin’ny tsy fahatomombanan’ny lisitry ny mpifidy sy ny kara-pifidianana koa ry zareo. Farany dia miantso ny mpitondra ho mailo eo anatrehan’ny tsy fandriampahalemana amin’ny faritra sasany satria mety hanakorontana ny fizotry ny fifidianana izany.

 Yves

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT