anivon’ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy sy ny Filankevitra ambonin’ny fitsarana, hoy ireo fikambanana sy vovonana mivondrona ao
anatin’ny Rindran’ny Olom-pirenena Hiarovana ny Iaraha-manana. Mitsipaka marindrano ny fitsabahan’ny fanjakana amin’ny fiatrehana ny fifidianana izay ho solontenan’ny fiarahamonim-pirenena eo anivon’ny filankevitra ambony ho amin’ny fiarovana ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna (Haut Conseil pour la Défense de la Démocratie et l’Etat de Droit) ny Rohy. Efa vonona mantsy ny rafitra misahana ny fikirakirana sy fikarakarana izany, araka ny fanazavan’ireo mpikambana tamin’ny mpampahalala vaovao teny Ambatonakanga omaly. Takian’ity fiombonamben’ny fikambanana sy vovonan’ny firaisamonim-pirenena ity rahateo ny fiaraha-miasa amin’ny Birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly sy ny Filankevitry ny fiarovana ny fahamarinana mandritra ny dingana sy ny fotoana rehetra ilaina amin’ny fanatanterahana izany. Hanangana ilay «Commission Ad Hoc» vaovao miaraka amin’ireo fikambanana avy amin’ny fiarahamonim-pirenena indray moa anio hanomana ny fifidianana ny minisiteran’ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny andrimpanjakana. Andrasana izay ho tohiny.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.