Politique

Tsy Aritra Vitan'ny hafa, fa tsy vitantsika


  • Alatsinainy 16 Aprily 2012

Tsikaritra amin'izao fotoana fa dia mizara roa indray ny hevitra eo amin'ny tontolo politika, ka ao ny mankasitraka ilay lalàna momba ny famotsoran-keloka, ao kosa ny mitsipaka marindrano izany.

 Mialoha izao dia nisy koa ny hoe manaiky ny tondrozotra sy tsy mankasitraka azy, dia efa nampizara ny mpanao politika sy ny olom-pirenena tamin'ny ankapobeny ihany koa ny fidiran'ny sehatra iraisam-pirenena tamin'ny fanelanelanana teto amintsika. Adihevitra no betsaka, fa hatramin'izao dia tsy mety hita ilay vahaolana mahomby hampisinda ny krizy sy ny disadisa politika. Krizy nitranga taty aoriana ny tany amin'ireo firenena arabo, tahaka an'i Tonizia, Ejipta, Libia sy ny tany Afrikanina sasany toa an'i Cote d'Ivoire, farany teo ny fanonganam-panjakana nataon'ny miaramila tany Mali. Kanefa dia efa mizotra tsara ny famahana ny krizy any, nisy aza ny efa niatrika fifidianana. Mba nidiran'ny sehatra iraisam-pirenena koa anefa ny famahana ny krizy tany amin'ireo firenena ireo, tahaka ny ataon'ny SADC eto amintsika.

I Madagasikara ihany no tsy mety tafavoaka amin'ny krizy, efa ho telo taona izao, ary tompon'andraikitra feno amin'izany ny mpanao politika rehetra, ary manana andraikitra goavana kokoa amin'ny tsy fetezan-javatra eto ny fitondrana tetezamita ary lohalaharana amin'izany i Andry Rajoelina. Efa mazava fa misy hery vahiny mifanandrina eto, tahaka ny mitranga any amina firenena an-dalam-pandrosoana maro. Zavatra tsy azo ihodivirana io, saingy adidin'ny mpitondra sy ny mpanao politika ao amin'ilay firenena kosa anefa ny miaro ny tombontsoan'ilay firenena sy ny vahoaka ao aminy, fa tsy variana fotsiny amin'ny ady seza sy ny fomba hampiharana, andininy iray na roa ao amin'ny tondrozotra.

Tena voafetsin'ny olona amin'ny kely fotsiny isika, raha ny fahitana azy satria tsy mahay mifanaraka sy mampivondrona ny hery mba hanasoavana ny tanindrazana iombonana, dia io miera lava amin'ny any ivelany io, fa tsy mba mahatapa-kevitra samirery mihitsy. Vitantsika ny nidina an-dalambe sy nandrodana ary nifanenjika, saingy tsy haintsika kosa ny nikaroka ny marimaritra iraisana sy nampitovy ny tadin-dokanga mba hanarenana ny firenena ka mba tena fiovana amin'ny tsara kokoa marina no mitranga. Tsy mijanona eo amin'ny fandrodanana ny fanjakana fotsiny ny fanovana, fa mitohy amin'ny fampihavanana sy fanarenana.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT