Politique

Tsy Aritra Tsy vitan’ny herin-tsaina fotsiny …


  • Alakamisy 04 Aprily 2013

Tsy azo ialana na odiana fanina ny fampihavanam-pirenena raha toa ka tena hanarina marina isika. Nandalo an’io daholo ireo firenena nitrangana krizy na niady an-trano ary ohatra velona amin’izany i Afrika Atsimo nalaza ratsy tamin’ny fanavakavaham-bolon-koditra, nisintahan’izao tontolo izao, niaina tao anatin’ny korontana sy ny fitaintainan-dava kanefa dia nilamina ihany ny farany.

 Mandroso dia mandroso ity firenena ity ankehitriny, ary efa tena lasa lavitra amin’ny lafiny rehetra. Vitan’ny hafa ve tsy ho vitan’ny Malagasy e ! Nahatsapa tena ny amin’ny tsy maintsy andraisany andraikitra ny FFKM satria efa tena mijaly loatra ny vahoaka, mitarazoka ny krizy, potika ny firenena miha mahazo laka eto ny faharatsiana sy ny fahalovana. Tsy afaka mitazam-potsiny izany ny Fiangonana fa tsy mainsy mihetsika. Amin’ny 18 aprily izao no hihaona amin’ireo vondrona politika ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy ao amin’ny FFKM, manomboka eo ny asa amin’ny fampihavanana.

Araka ny tsiliantsofina re dia misy lohahevitra goavana 4 amin’ny fampihavanana kasain’ny FFKM atao, dia ny fahamarinana, ny fifamelana, ny vavaka ary ny fampihavanana. Raha atao indray mijery ireo teboka 4 ireo dia mahafintina tsara ny fomba fitaizan’ny Fiangonana. Tsy maintsy ambara ny marina rehetra, miresaka mifanatona ireo izay niady dia mifamela rehefa avy samy nilaza ny marina rehetra sy niaiky izay zavatra tsy nety nataony, miroso amin’ny vavaka avy eo satria io no hahafahana miresaka sy mifandray amin’Andriamanitra izay tompon’ny zava-drehetra, tompon’ny teny farany sy mahafantatra izay tokony sy tsy maintsy atao rehetra. Raha tanteraka ireo dingana telo ireo dia tsy tokony hisy olana ny fampihavanana amin’ny fo madio, aorian’izay vao hitsiry indray ny fanantenana amin’ny hanavotana ny firenena sy hampiposaka ny mazava eto. Ny fanontaniana manitikitika ao anatin’izany rehetra izany dia ny hoe : hanaiky io fomba fiasan’ny Fiangonana io ve ny mpanao politika rehetra, indrindra fa ireo izay nifandrafy sy niady ary nifanenjika ? Amin’ny Fiangonana mantsy dia samy diso sy mpanota daholo ny olon-drehetra, fa azo avela heloka sy avotana rehefa miaiky ny tsy nety ataony sy mibebaka marina. Mora tenenina izany fa sarotra tanterahana. Tsy vitan’ny herin-tsaina fa mahakasika ny fanahy, ny fanahy no maha olona, hoy isika Malagasy. Ho hita eo ny isan’ny mpanao politika malagasy tena mbola olombelona e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT