Politique

Tsy aritra Mora vizana ?


  • Zoma 03 Febroary 2012

Navitrika ery ny filohan’ny FAT Andry Rajoelina vantany vao tonga teo amin’ny fitondrana nilaza fa atao matotra tsara ny fiaraha-miasa amin’ny mpanao gazety, ary hampahafantarina ny vahoaka malagasy manerana ny Nosy ny zava-misy sy tsy maintsy fantany momba ny raharaham-pirenena.

 Dia raikitra ilay fandaharana isan-kerinandro nalefa tamin’ny haino aman-jerim-panjakana, ary tena niresaka tokoa Atoa filoha tao anatin’ilay izy. Taty aoriana dia lasa isaky ny tapa-bolana, avy eo lasa isam-bolana, dia nasiana fanontaniana avy amin’ny olon-tsotra eny an-dalana. Dia niova lasy kely fa natao tany Mahajanga indray ny fandaharana. Avy eo tsy hita intsony, dia nangina tanteraka Atoa filoha ary tsy nampita vaovao tamin’ny vahoaka. Indro fa tonga indray ny tsena mora, vary mora, menaka mora, savony mora, nanentana nitety Fokontany indray Atoa filoha sy Rtoa vadiny ary moa va tsy toy ny mpivarotra mihitsy aza indraindray. Vita ny fitsapan-kevi-bahoaka, dia nanomboka nangingina indray ny tsena mora.

Nipoitra ny resaka risoriso sy fanodinana entana. Tsy nisy in-droa isan-kerinandro intsony, ny any amin’ny faritra hafa ivelan’Antananarivo Renivohitra moa dia tsy mahalala izany. Taty aoriana, nahita hevitra hafa indray ny sampandraharaha misahana ny lafiny sosialy ao Ambohitsorohitra dia natao indray ilay zoma fifanampiana. Niezaka nitety Fokontany, teo Antananarivo Atoa filoha raha vao nanomboka io hetsika io. Tsy nisy telo volana akory anefa dia efa tsy hita intsony ilay izy. Ary taty aoriana dia Rtoa Michelle Ratsivalaka no mitety Fokontany mitondra ny fanampiana isaky ny zoma.

Tao anatin’ny roa taona sy tapany no nitrangan’izany rehetra izany. Lasa ihany ny eritreritra hoe : nahoana no miovaova matetika tahaka izany ny fomba fiasa ? Tsy mba misy fandaharanasa sosialy tena matotra sy mitohy foana ve ? Sa mba famenoana ny banga sy fanapena-maso ary fanambantambazana ny vahoaka sahirana fotsiny ireny, mba tsy hampitroatra azy ireo ? Ireo be vazivazy aza dia efa niteny mihitsy hoe : «fa sao dia mba mora vizana kosa aza Atoa filoha e ?». Fehiny, sady tsy voavaha ny krizy, miha noana sy miha sahirana ny olona, maro be ny marary sy maty, mitombo ny very asa, manjavozavo amin’ny vahoaka ny fomba fitantanana ny firenena. Mazava ho azy fa mihena ny fitiavan’ny olona ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina, ary misy ampahany betsaka avy aminy no nahatonga izany, noho izy miovaova hevitra lava sy tsy mitana ny teny nomeny ary midina am-pandehanana isaky ny mihetsika izao. Tsy misy maharatsy ny zavatra mora, fa raha mora, natao hanapena-maso sy hampitombo krizy kosa .. aleo hilamina e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT