Tsy mbola hita taratra na dia amin'ny ampahany kely monja aza aloha, hatreto ilay hoe fitokonana faobe hampikatsoana ny fampandehanan-draharaham-panjakana, kasain'ny vondron'olona sasany hatao eto.
Ary na ilay resaka fitaomana vahoaka hidina an-dalambe aza dia toa ho faty an-karanany ihany koa, raha ny fahitan'ny mpandinika azy. Tena nanova zavatra maro teo amin'ny tontolo politika mantsy ilay fampihaonana an'i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina. Efa samy manaiky an'io ny mpomba ny andaniny sy ny ankilany sy ny ankamaroan'ny olona eto Madagasikara. Vitsy ihany koa ny mpanao politika mitsivalana amin'izany. Io fihaonana io no hahafantarana ny mety ho tohin'ny tantara. Miandry an'io noho izany ny rehetra ary tena mifantoka any ny saina aman'eritreritry ny maro.
Takon'io fihaonana io tanteraka ny resaka hafa rehetra toy ny fitokonana etsy sy eroa. Mihantona ihany koa ny zava-drehetra fa miandry io fihaonana io avokoa. Ratsy fitontona ihany, arak'izany ny eritreritra hitarika olona hidina an-dalambe satria efa tsy mazava tsara intsony ny tanjona, fa toa miovaova be ihany. Efa variana amin'ny zavatra hafa ny olona ka tsy dia voasarika firy intsony amin'ny ho eny Ambohijatovo na ho eny amin'ny Kianjan’ny 13 mey.
Tsara homarihana ihany koa fa mbola mitana anjara toerana goavana amin'ny raharaham-pirenena sy ny tontolo politika eto amintsika ny foloalindahy, ka rehefa tsy mbola hita mivaingana ny fihetsehan'izy ireo dia tsy miraika firy amin'ilay trangan-javatra ny olona. Nisy ihany ny fanambarana voalaza fa nataona manamboninahitra, kanefa tsy hita izay tohin'ilay izy avy eo. Maro ny maminavina fa mba miandry izay mety ho vokatry ny fihaonana eo amin'i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina ihany koa angamba ny foloalindahy. Fehiny dia nikatso izany ny fampikatsoana ary tahaka ny mbola any an-kibon'ny omby ilay fitokonana faobe...hatreto aloha !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.