Politique

Tsy aritra Matanjaka ny hoza-pe, saingy ...


  • Alatsinainy 05 Martsa 2012

Hita ho tena manezaka mafy mihitsy mba hikaroka vahaolana mahomby, hamahana ny krizy sy hampihena ny fimenomenoman'ny olona ny FAT tarihan'i Andry Rajoelina.

 Tsy mety amin'izy ireo anefa ny miasa miaraka amina ankolafy hafa, ary tsy mety amin'izy ireo ihany koa ingahy Omer Beriziky. Koa dia nahita paikady hafa ny tao Ambohitsorohitra tao fa dia nantsoina daholo ireo karazana manampahaizana sy teknisianina, manana traikefa amin'ny lafin-javatra maro. Raha nisy ihany koa ny zavatra hita fa nandeha sy nety, nataon'ny teo aloha dia notohizana ireny, ary natao "par silence" ny fanohizana azy. Ny lesoka na zavatra nambara fa tsy nety kosa dia naparitaka sy nasiana karibonetra mihitsy mba hanosoram-potaka an'i Marc Ravalomanana sy ny ekipany. Somary taitra ihany ny maro raha nahafantatra ny faran'ny herinandro teo, fa hay ve ka mbola mitohy ny tetikasa MAP na Madagasikara Am-Perinasa e ! Kanefa nanesoana an'i Dada izy io, ary nambara mihitsy fa fandaharanasan'olona mirediredy.

Nahita sy nahatsapa anefa ny olon'ny FAT fa io tetikasa goavana io, dia atokisan'ny mpamatsy vola ary efa neken'izy ireo, no sady efa nisy fiantraikany tsara sahady tany amin'ny vahoaka sy ny toekarem-pirenena, koa dia notohizan'izy ireo. Ny olon'ny FAT rahateo moa, na atao aza hoe maro tanora, dia hita ho mikaviavia ihany amin'izany hoe fandrafetana tetikasa goavana izany. Ny hoza-pe mety matanjaka, fa ny saina mihitsy angamba no tsy mahiratra sy tsy maharaka ny tena zava-misy, satria mety efa lany tamin'ny fikarohana hevitra haminganana sy nandrodanana an'i Dadavalo ny ron-doha. Ny rehetra dia efa mahalala tsara fa kabary ambony vavahady, don-tandroka sy ramatahora no tena manavanana an'i Andry Rajoelina sy ny ekipany, ka na izy samy izy aza mifamely rehefa avy eo. Tsy mahagaga raha tsy mahatafavoaka baolina ao anatin'ny telo taona, satria sady tsy manana tetika maty paika no tsy misy endri-dalao, no tsy manana mpamono baolina tena atokisana sy nifanarahana fa dia samy te ho any anaty harato miaraka amin'ny baolina avokoa.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT