Tamin’ny fivoriana izay nataony ny zoma 27 janoary 2012 no nanambaran’ny «Collectif des Professeurs et Professeurs Titulaires des Universités de Madagascar» fa latsaka an-katerena lalina ny firenena.
Tohina ny «Collectif» mahita fa miaina ao anaty fahasahiranana tanteraka ny vahoaka Malagasy amin’izao fotoana izao. Mitaintaina lava ny vahoaka noho ny firongatry ny asan-jiolahy sy ny fidangan’ny vidim-piainana. Anjakan’ny risoriso sy ny halatra ary ny lainga sy ny gaboraraka ny fiainam-pirenena. Mbola ho ezaka lehibe ny fanarenana izany rehetra izany, araka ny fanambarana nataon’ny “Collectif des Professeurs” ny 9 febroary 2012 teo, nosoniavin’ny Filoha nasionaly, Pr Rakotomalala Minoson, ary mitaky ny fahatsiarovan-tenan’ny tsirairay mba hitady ny hevitra sy ny fomba rehetra mba tsy hiverenan’ny toe-javatra toy izao intsony eto Madagasikara. Vonona hanome tolo-kevitra amin’izany ny “Collectif des Professeurs” satria anisan’ny vahoaka malagasy tsy vaky volo, miaina sy miatrika izany fitotongan’ny fiainam-pirenena amin’ny lafiny maro izany isan’andro izy. Manana ihany koa ny fahaizana amam-pahalalana sy ny fitiavan-tanindrazana hoentiny mikaroka ny lalana sahaza ho an’ny Malagasy rehetra mba hiverenan’ny ara-dalàna, manomboka eo amin’ny sehatry ny politika ka hatrany amin’ny sehatra sosialy sy ekonomika.
Tsy hadinoina amin’izany ny maha olona, maha Malagasy, izay mandrafitra ny saina amam-panahintsika manontolo. Manamafy ny “Collectif des Professeurs” fa ilaina ny fahatoniana ara-politika sy ny fifamelan-keloka ary ny fihavanam-pirenena raha tiana ny hiala amin’izao krizy izao. Tsy vahaolana mihitsy ny fifidianana atao ankamehana raha tsy ao izay fahatoniana izay ary raha tsy voahaja ny fahalalahana miteny sy maneho hevitra. Aoka hajanona hatreo ny fifankahalana sy ny fifanenjahana ary ny paika politika ratsy fa aoka hobanjinina ny fanatsarana ny hoavin’ny firenena izay tena maizina tanteraka hatreto. Aoka hajanona hatreo ny fifampiandaniana, ka hiverenana ny soatoavina malagasy dia ny fihavanana, ary hiroso amin’ny tena fifamelana marina satria azo porofoina fa tsy misy madio izany ny mpanao politika eto. Ny fitakiana ataon’ny SECES amin’izao fotoana dia taratry ny fahalovana mahazo ny firenena. Manainga ny tompon’andraikitra mba hiatrika ny olana fa tsy hialokaloka ao ambadiky ny lainga sy fanaratsiana ny mpampianatra mpikaroka fotsiny. Manamafy ny “Collectif des Professeurs” fa tohanany ny SECES satria mitombina ny tokony hampiharana ireo didim-panjakana telo laharana faha-2009-1214/1215/1216 nivoaka tamin’ny 6 Oktobra 2009.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.