Politique

Tsy aritra Lasa kilalaon-jaza


  • Alatsinainy 29 Aprily 2013

Raha nisy kely angamba dia efa nanatitra ny dosieny teny Ambohidahy koa i Andry Rajoelina, hoy ny be vazivazy omaly alahady raha nahita ny fibosesik’ireo kandida ho filoha teny amin’ny CES Ambohidahy.

 Izany ny hoe tena samy manao izay revireviny marina angamba. Tampoka teo dia iny fa kandida koa ny jeneraly Rasolosoa Dolin filohan’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, ao koa i Fetison Andrianirina, izay voailika tao amin’ny ankolafy Ravalomanana, tsy lany “match” tany amin’ny PSD, dia nanangana antoko haingana dia haingana. Mba nirotsaka koa i Tabera Randriamanantsoa, izay manindrahindra ny federalisma, olon’ny ankolafy Zafy Albert. Niditra anaty lisitra koa Ratrema William filoha mpanorina ny vondrom-panabeazama Aceem, tsy nanaiky fa mba hifaninana koa i Faharo Ratsimbalison, depiote an’i Belo Tsiribihana teo aloha ary lehiben’ny Faritr’i Menabe amin’izao fotoana. Misy koa ny mpandraharaha tsy mbola fantatry ny olona mihitsy, na misy mpahalala ihany fa vitsy dia vitsy tahaka an’i Fleury Rakotomalala. Manana solontena amin’ny fifidianana koa ny artista satria kandida i Vahombey. “De gaga ela !”, hoy ilay fomba fiteny. Fa raharaham-pirenena marina ve no resaka eto sa sangisangy sy kilalaon-jaza e ? Misy moa ny nisintona indray ny filatsahan-kofidiany, dia ny Me Avoko Rakotoarijaona izany, asa hoe inona no nahatonga azy nitsoaka an-daharana, ny hamaroan’ny kandida ve sa tonga saina izy sy ny ekipany fa ho fandaniam-bola fotsiny ny hirosoana amin’ny fifidianana satria efa fantatra fa tsy ho lany.

Mazava be izao fa tena mbola manjaka ny fitiavam-pahefana eto amintsika, tsy mbola niova ny mpanao politika, fa samy te ho tonga eo amin’ny fitondrana daholo. Ampy hitsaran’ny vahoaka ny mpanao politika izao fihetsik’izy ireo izao, ary efa ampy hanamarinany ny safidiny ihany koa.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT