Politique

Tsy Aritra Inona no mahasoa ny vahoaka ?


  • Alakamisy 02 Aogositra 2012

Araka ny vaovao miparitaka any ivelany any, dia voalaza fa noresahana tamin’ny dinika tany Seychelles ny fodian’Atoa Ravalomanana an-tanindrazana.

Resaka efa nampoizin’ny maro ny momba an’io. Fa lohahevitra voalaza fa noresahana tany koa ny amin’ny hoe : samy tsy milatsaka hofidiana filoha ingahy Rajoelina sy Ravalomanana. Tsy vao izao io resaka io, fa efa hatramin’ny herintaona ary nisy mihitsy aza ny mpanao politika nivoy azy io isan’andro. Re moa fa dia misy ny firenena sy fikambanana iraisam-pirenena manaiky io hevitra io, ary raha araka ny feo mandeha ihany dia na ny SADC aza dia efa niantso azy mianaka ireo mba hampandefitra ny hambom-pony ka tsy handray anjara amin’ny fifidianana. Maro ireo mpandinika sy manampahaizana momba ny politika no mihevitra fa tsy maintsy mbola hiteraka rotaka eto ny voka-pifidianana raha mpifaninana Atoa Ravalomanana sy Rajoelina, ary vao mainka ho gidragidra be, raha misy iray amin’izy ireo tsy afaka milatsaka hofidiana.

Ny olana anefa, araka ny efa nambara teto ihany dia ho sarotra ny hampionona ny mpomba ny andaniny sy ny ankilany, satria nisy olona niandry an-taonany sady nanantena tao fa ho kandida i Dada, tsy latsak’izany ihany koa ny mpanohana an’i Zandry kely ! Ny SADC moa isaky ny mamoaka fanambarana dia miantso foana ny roa tonta mba samy hampiseho fahamatorana sy fandavan-tena ary fametrahana ho ambony indrindra ny tombontsoan’ny firenena. Atoa Marc Ravalomanana moa fony izy nitantana ny firenena dia namerimberina fa izay mahasoa ny vahoaka no atao, fa tsy izay mahafinaritra azy ! Ny tetezamita tantanan’i Andry Rajoelina kosa dia milaza fa tsy hoe rehefa mandalo krizy ny firenena dia tsy mba afaka hamalifaly ny vahoaka ny fitondrana, koa dia manao izay mety mihitsy ny fitondrana tetezamita isaky ny misy hirika azo hanaovana fety. Tena latsaka an-katerena ity ny firenena ary mitombo isa ny Malagasy mahantra, mizarazara ihany koa ny olona noho ny foto-kevitra politika, sy ny olona tohanana. Inona marina ary no tena mahasoa ny rehetra ? Hampifanandrinana ve ireo niaingan’ny krizy mba hahafantarana ny tena safidin’ny vahoaka, sa hiampita amin’ny zava-baovao tanteraka mihitsy dia eo mahita izy  ?

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT