Raha toa ka tsy mbola voaporofo mazava ny fitantanana tsy nahomby sy ny tsy fahaiza-miasan’ny filoha teo aloha, Marc Ravalomanana ka nandrodanana azy, dia efa miharihary tahaka ny vay an-kandrina kosa ny kitoatoan’ny FATn-dRajoelina amin’ny fitantanana ny firenena nandritra izay 3 taona izay.
Mazava ny ampamoaka nataon’ny Profesora Zafy Albert teny Ivandry, omaly fa dia kolikoly, halatra ary fandripahana ny harem-pirenena no tena nahazo vahana tato anatin’izao tetezamita izao, ary manampahefana tao anaty fitondrana mihitsy no atidohan’izany, nampiana mpandraharaha vitsivitsy. Ho hita eo indray moa raha ho avy eny amin’ny villa Elisabeth ny DST hisambotra ny profesora Zafy, ato anatin’ny fotoana faran’izay haingana, na ahoana. Fa raha ny fahenoana ny fanambarana nataony omaly aloha, dia tafiditra ao anatin’ireo tsy zakan’ny vavonin’ny FAT mianakavy ilay izy. Hatry ny alina dia efa nandeha be ny resaka, teto an-drenivohitra fa tsy maintsy hokarakaraina, hono, Raprofy.
Ny tsy fantatra mazava fotsiny dia ny hoe : horesen-dahatra mba hangina ve izy sa halaina am-bavany sy hohadihadiana sa hosamborina dia ho tanana am-ponja vonjimaika mihitsy, tahaka ny efa natao tamin’ireo olon’ny mpanohitra maro tato anatin’ny 3 taona. Efa hatramin’ny herintaona moa no nandrangaranga ity ampamoaka ity Atoa Zafy Albert, nametraka fitoriana miaraka amina porofo sy antontan-taratasy maro teny amin’ny fitsarana izy, saingy tsy nisy tohiny, hatramin’izao ny raharaha.
Raha nanao fanambarana karazana ampamoaka ampahibemaso ireo mpanao politika avy amin’ny mpanohitra, dia efa misimisy ihany no nosamborina sy notanana am-ponja vonjimaika, satria nolazaina fa mandainga sy mampiely vaovao tsy marina mety hanohintohina ny filaminana anatiny. Nambaran’ireo mpiara-dia amin’i Andry Rajoelina hatramin’izay, fa maivana sy tsy dia manana lanja politika loatra izany Zafy Albert izany, koa ho hita eo ny ho fitrangany amin’ity anio ity ihany. Raha ny fahafantarana azy dia mbola hisy ny asam-baomiera ao anatin’ny diniky ny samy malagasy, anio alakamisy, hisy karazan-kevitra maro hivoaka ao, ny amin’ny antony nahatonga ny krizy sy ny mampitarazoka ny tetezamita. Azo antoka fa mbola hitohy ihany koa ny ampamoaka ary maro no efa resy lahatra fa ho henjana ny votoatin’ny fehin-kevitr’ity dinika ity izay hivoaka anio hariva na rahampitso.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.