Raha nisy ny teny nahatonga adihevitra be indrindra teto Madagasikara tato anatin’ny roa taona dia anisan’izany ny hoe tetezamita iaraha-mitantana sy eken’ny ankolafy maro (transition consensuelle et inclusive).
Samy nanana ny fandikany io teny io araka ny eritreriny na izay mahamety azy ny tsirairay avy, ary hatramin’izao dia mbola mahasanganehana ny olon-tsotra ny tena tiana hahatongavana amin’ny hoe tetezamita iaraha-mitantana sy ny antony tsy maintsy hananganana azy. Tsara homarihana ety am-piandohana aloha fa tsy ny Malagasy no namorona io fomba fiteny io fa efa fampiasa tany amin’ny tany Afrikanina maro ihany izy io, rehefa avy niady an-trano na nisehoana savorovoro taoriana fifidianana ireo firenena ireo. Ankoatra ny lalàna sy ny fitsipika isaky ny firenena dia tsy maintsy manaraka sy manaja ireo fifanarahana iraisam-pirenena nosoniaviny ihany koa ny firenena tsirairay avy, tahaka ny hoe ny fanambarana ny zon’olombelona, ny fifanarahana sy fifampitondrana eo anivon’ny vondrona Afrikanina, ary ho an’i Madagasikara manokana dia anisan’ireo firenena nanasonia ny «Accord de Cotonou» ny 23 jona 2000 isika. Nihatra sy nanankery nanomboka tamin’ny 2003 moa izy io.
Raha fintinina izy ity dia fifanaraham-piaraha-miasa sy fifandaminana eo amin’ny Vondrona Eoropeanina sy ireo firenena ao anatin’ny ACP (Afrique Caraïbes et Pacifique), nasolo ny «Convention de Lomé» izy io ary mibahan-toerana ao ny fifanakalozana ara-barotra ny fifanarahana ara-toekarena ary ny ady amin’ny fahantrana. Voasoratra mazava ao anatin’ity «Accord de Cotonou» ity anefa ny tsy maintsy hametrahana ny fanjakana tsara tantana sy fanaovana ny ady amin’ny kolikoly ao amin’ireo firenena nanasonia azy satria rehefa voahaja ny fanatanterahana ireo vao miroso amin’ny fiaraha-miasa ny Vondrona Eoropeanina izay tsy manaiky ny hiara-kiasa amin’ny mpanao didy jadona mpampijaly vahoaka sy ny mpanongam-panjakana.
Manampy izay dia voasoratra ao amin’ny «Accord de Cotonou» ihany koa ny maha zava-dehibe ny fifampidinihana sy ny fifampiraharahana raha toa ka misy ny olana ara-politika na ara-toekarena na eo amin’ny fifanakalozana ara-barotra na ao anatin’ilay firenena iray manokana io na eo amin’ny sehatra rezionaly na eo ami’ny sehatry ny kaontinantaly sy ny sehatra iraisam-pirenena. Koa raha ny tena marina izany dia fampiharana ny zavatra nosoniavina sy nifanarahana fotsiny ihany no ataon’ny SADC sy ny GIC ary ny Vondrona Afrikanina sy ny Vondrona Eoropeanina raha toa ka mitaky ny hametrahana ilay tetezamita iaraha-mitantana sy eken’ny rehetra ary tsy hanavahana ankolafy politika izy ireo. Tsy mbola hita taratra ao anatin’ny FAT izany matoa misy ny dinika any
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.