Politique

Tsy Aritra Efa ady an-trano no eto


  • Alarobia 05 Septambra 2012

Maro ankehitriny ny mpandinika tantara sy mpanaraka ny vaovao politika no manahy mafy fa sao lahy ka ho tonga eto Madagasikara ihany ilay ady an-trano mampalaza ratsy an’i Afrika.

 Marefo manoloana ny asan-dahalo ny mpitandro filaminana koa dia novelomina ilay "Auto-défense villageoise", ny Fokonolona no mandray famaky sy antsy ary lefona ka mifanandrina amin’ny dahalo. Dia ireny niaraha-nahita ireny fa dahalo efa ho zato mahery izao no maty. Dia ahoana moa izao ny momba ireo olona namono ireo dahalo ireo ? Raha ny eto an-drenivohitra mantsy dia masiaka amin’ny andrimasom-pokonolona ny polisy sy ny zandary ary manafatra fa tsy azo atao ny mikasi-tanana sy mamono mpangalatra na dia tratra ambodiomby aza izy. Nahoana no tsy efa taorian’ny nipoiran’ny raharaha Remenabila no efa nitoby tany amin’ireo faritra mena amin’ny asan-dahalo ny miaramila sy ny zandary, fa ny Fokonolona indray no nampianarina niady sy hifandona amin’ny malaso ? Tsy maintsy izay ve no natao ? Tsy tokony ho gaga izany ny mpitondra manomboka izao raha hahazo vahana ny fitsaram-bahoaka ka voavono ho faty avokoa izay rehetra tratra na amin’ny tondromolotra aza, satria tsy mahavita ny asany ny mpitandro filaminana ary efa miantso fanampiana amin’ny Fokonolona, isan’andro. Fa anisan’ny zava-mitranga rehefa misy ny ady an-trano ao amina firenena iray, ny fisian’ny mpifindra monina, na ireo mponina miala ny faritra misy azy noho ny ady sy ny tsy fandriampahalemana ka mifindra any amina faritra hafa, manakaiky azy ary heverina fa mba mety milamina kokoa. Raha nanomboka ny raharaha Remenabila dia olona tsy latsaky ny 1500 no nihazo an’i Tolagnaro renivohitry ny faritra Anosy, ary ankehitriny dia fantatra koa fa olona efa ho 3.000 avy ao Bongolova no efa tonga any Morafenobe, Faritra Melaky. Matahotra ny fanafihan’ny dahalo no sady tsy matoky ny mpitandro ny filaminana eo aminy, ireo mponina ireo matoa mifindra lasy. Efa manomboka maka tahaka ny zava-misy any amin’ireo firenena Afrikanina miady an-trano izany, ary toa efa tandindon’ny fikorontanana goavana kokoa noho ny nisy teto, hatrizay. Tsy maintsy misy ny atidoha mikotrika ny asa fanakorontanana, ary misy tanjona mazava.

Misy ireo mihevitra fa nisy planina efa natao mihitsy hanakorontanana ity Madagasikara ity, ary tamin’ny 2008 no nanombohana azy. Efa saika niarin-doha mantsy i Madagasikara ary nanana mpitondra sahy nifampitana tamin’izay rehetra saika hanararaotra ity firenena ity, koa tsy maintsy nikarohana paikady. Tsy olona tonga lafatra Atoa Marc Ravalomanana kanefa kosa mba be loatra ny fanaratsiana sy fanosoram-potaka azy, ary tena natao natanjaka mihitsy ny serasera nanaovana izany. Izy no nambara fa olan’ity firenena ity sy nampahantra ny Malagasy, nirodana anefa izy ity, tsy eo amin’ny fitondrana ary tsy manampahefana intsony, toa mbola sahirana ihany ary vao mainka sahirana aza ny Malagasy.

Tsy misy Tiko intsony eto, fa toa nivadika ho ny vahiny indray no mifehy ny resaka menaka sy dibera ary midangana dia midangana ny vidin’ireo entana. Napetraka maimaika teto ny tsena mora, fa vao voafidy ilay lalàmpanorenana dia tsy hita intsony izay niafarany. Ankehitriny, miverina koa ny fanontaniana fanaon’ireo mpanakiana ny fitondrana Ravalomanana : f’angaha azo hanina ny kianja manara-penitra e ? Misy vondron’olona mety mahita tombontsoa amin’ny fikorontanan’i Madagasikara sy fisian’ny ady an-trano eto, ary malkatra omby fotsiny fa hitatra amin’ny zavatra hafa, atsy ho atsy.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT