Politique

Tsy Aritra Adihevitra tsy mitombina


  • Alakamisy 18 Aprily 2013

Lasa resabe tato anatin’ny andro vitsivitsy izay ny hoe : mahafeno ny fepetra marina ve i Lalao Ravalomanana mirotsaka ho kandida io ? Ao ny tonga dia nanitsy avy hatrany fa tsy azo ekena ny filatsahan-kofidiany satria tsy ampy enim-bolana, mialoha ny daty fanombohan’ny fanaterana ny antontan-taratsy ny nipetrahany teto Madagasikara.

 Lalàna moa no resaka eto. Misy fomba fijery hafa manohitra an’io anefa, taorian’ny nahafantarana fa efa tafiditra teto Madagasikara tamin’ny 27 jolay 2012 Rtoa Lalao Ravalomanana. Raha iverenana kely ny zava-nitranga tamin’io 27 jolay io dia tonga teny Ivato, tahaka ny olon-drehetra tamin’ny zotram-piaramanidin’ny Airlink avy any Afrika Atsimo ity vadin’ny filoha teo aloha ity sy ny vinantovaviny. Nidina ny fiaramanidina izy, naka ny entany, nandalo ny polisy miambina ny sisin-tany, ary dia voatomboka ara-dalàna ny pasipaorony, manamarika fa tonga eto amin’ny tanin’ny repoblikan’i Madagasikara izy, ary mbola nampandrosoana tao amin’ny VIP Lounge, na trano fandraisana ireo vahiny manan-kaja aza izy, dia afaka niresaka sy nitafa tamin’ny fianakaviana sy ireo tapaka sy namana. Noroahana an-keriny moa izy ireo avy eo, nasisika tany anatin’izay fiaramanidina hanainga fotsiny, rehefa nidina ny baiko avy any Ambohitsorohitra any. Ny fifanarahana iraisam-irenena momba ny zon’olombelona dia manambara fa tsy misy olom-pirenena azo roahana miala ny fireneny izany… ary sitrapon’ny olona ny mandao sy miditra ny fireneny.

Teratany vahiny, nandika lalàna na niditra an-tsokosoko no roahana hiala ao amina firenena iray, tahaka ny natao tamin’ireo teratany Srilankey farany teo fa tsy Malagasy ray Malagasy reny ary mizaka ny zom-pirenena malagasy no roahana hivoaka an’i Madagasikara. Raha itarina ny resaka dia ny fitondram-panjakana no tena nandika lalàna tamin’ny nandroahany an’i Lalao Ravalomanana ny 27 jolay 2012. Tsy mbola mazava ny lalàmpanorenana mihatra eo amintsika amin’izao fotoana, fa na izany aza milaza ny fanajana ny zon’olombelona ny lalàmpanorenan’ny Repoblika faha-4, i Madagasikara rahateo dia mankato io fanambarana iraisam-pirena momba ny zon’olombelona io sy mankato ihany ka lalàna iraisam-pirenena marobe.

Ny tondrozotra dia milaza ao amin’ny andininy faha-20 ny hamelana malalaka ireo sesitany politika hiditra eto, rehefa tonga eto anefa ilay olona toa hanaovana herisetra indray. Resaka teknika sy araka ny lalàna iza noresahana teo izay, fa mbola zavatra hafa raha idirana ny fifanarahana politika, izay fanao amina vanim-potoana tahaka izao, ary raha ny tena marina aza dia ny fifanarahana politika foana no hitantanana sy handaminana fitondrana tetezamita fa tsy lalàmpanorenana izany. Noho izany dia toa adihevitra tsy mitombina ihany ary tsy tokony handaniam-potoana betsaka io resaka enim-bolana io, tadiavina haminganana an’i Lalao Ravalomanana io. Tsy aleo ve mifanaraka milamina toy izay mbola hifamitady amin’ny resaka lalàna sy fitsarana eto indray e !

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT