Politique

Tsy afa-po ny vondrona eoropeanina Kenda ny governemanta


  • Alakamisy 11 Febroary 2016

Rafotsy be very laona ity ny filoham-pirenena malagasy amin’ny fitantanana ny raharaham-pirenena ka miandry izay higadonany. Handroso maty raibe hihemotra maty renibe.

 

 Mbola nidona tamin’ny rindrina indray ny governemanta malagasy nandritra ny dinik’asa niarahana tamin’ny vondrona eoropeanina izay anisan’ny mpamatsy vola lehibe indrindra an’i Madagasikara izay natao omaly tetsy amin’ny trano fonenan’ny masoivoho Anglisy tetsy Ivandry.

Tsy mivoaka ny vola

Mbola nanambara Atoa Antonio Benedito Sanchez, masoivohon’ny vondrona eoropeanina fa tsy mbola tontosa 100% ny fepetra notakian’izy ireo amin’ny famoahana ny ampaham-bola faharoa fanampiana an’i Madagasikara amin’ny Fed faha-11 na ny « fond européen de développement ». Nasian’ity masoivoho ity teny manokana ny tsy mbola fitsanganan’ny fitsarana avo hatramin’izao na ny « haute Cour de justice » . Raha akapoka iray ny fanambarany dia tsy hivoaka mihitsy ny fanampian’izy ireo raha tsy mitsangana io sampam-pitsarana hitsara izay heloka vitan’ny mpitondra io. Efa nisy fotoana ihany namerimberenan’ny mpanao gazety mpikirakira ny tontolo politika izany tranga izany fa nanan-kavaly hatrany na ny minisitry ny Fitsarana na ny filohampirenena saingy kenda angamba izy ireo ankehitriny fa ny mpandoa -bary mihitsy no niteny. Ankoatra izay, andrasan’ireto mpamatsy vola ireto koa ny fanatsarana eo amin’ny seha-pitantanan-draharaha sy ny fanapariaham-pahefana izay tsapan’izy ireo fa efa misy ny ezaka saingy tsy mbola mahafa-po. Tsy nihodinkodina intsony Atoa Antonio Benedito Sanchez naneho ny heviny fa tsy mbola tonga amin’ny nandrasany ny ezaka nataon’ny governemanta malagasy na dia teo aza ireny naoty nahafatifaty kely nomena tamin’ny « Résultat Rapide et intense » in-droa miantoana ireny. Ny fanamboaran-dalana, dia takian’ny vondrona eoropeanina ihany koa ny fanajana ny fandoavana ny volan’ny FER na ny « fond d‘entretien routier » sy ny tokony mba hanaovana ezaka amin’ny fanaraha-maso amin’ny vesatra entin’ireo fiara vaventy. Tena mahamenatra. Toe-javatra toy izany avy dia andrasana ny vazaha no hiteny sy hananatra. Lany andro amin’ny kolikoly angamba tsinona ny olona tokony hanao izany eny amin’ireny lalam-pirenena ireny. Lohahevitra iray nanempotra ny fanjakana malagasy ihany koa ny tsy fandriampahalemana sy ny politika mazava amin’ny fananan-tany ka tsy mampazoto ny mpampiasa vola vahiny hampiasa ny volany  eto Madagasikara. Kenda ny fanjakana ary ratsy ny naotiny eo imason’ny vondrona eoropeanina fa ny fomba filaza azy fotsiny no sisa namboamboarina. Fehiny, tsy mbola mahatoky ny mpitondra HVM ny vondrona eoropeanina satria tsapan’izy ireo fa ratsy tantana ny firenena.


Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT